Politique

Vovonan’ny tanora mpitolona tia tanindrazana “Hafahafa ny fanambaran’ny GEN”


  • Alarobia 10 Aogositra 2022

Ny vovonan’ny tanora mpitolona tia tanindrazana na JPRM dia tena manara-baovao ary mijery sy miaina ny raharaham-pirenena misy eto Madagasikara, hoy ny mpikambana ao aminy, Rivellino Ravelomahazo.

Hitanay, hoy izy, ireny fanambaran’ny GEN na vondron’ireo manam-pahaizana eto amin’ny firenena ireny. Tsy hainay na manara-baovao ireo olona ireo na tsia fa vao nanomboka izao fitondrana izao dia izany “budget d’austérité” izany na politikan’ny fitsitsiana, tamin’ny alalan’ireo “contrat programme” na fifanarahana ombana tetikasa nampanaovina ireo minisitra no nimasoan’izao fitondram-panjakana izao. Tonga aty amin’ny 2022, 3 taona aty aoriana, dia nilaza indray fa hampiharina ny “budget d’austérité”. Ny famaritana an’io angamba no tsy azon’ny olona ao anatin’ny GEN nefa dia hitako ho tena misy olona manam-pahaizana ao saingy hampitenenina koa angamba fa minia tsy mijery ny fahamarinana misy eto amin’ny firenena. Raha ireo fitakian-drizareo izany no atao. Ohatra hoe amidy ny fiaram-panjakana na tsy ampiasaina ny karatra fanilo na “ticket carburant” an’ireny minisitera ireny dia inona hoy isika mpanara-baovao no ho fiantraikany? Voalohany aloha tsy ara-dalana ny fanapahan-kevitra toy izany satria ny fananam-panjakana dia sady tsy azo amidy no tsy azo omena olona. Mifanohitra tanteraka amin’ny etika repoblikanina sy sata repoblikanina noho izany no takian’ny GEN. Miteraka tsy fahombiazana, hoy izy, ny fitokanana, fandaniam-bola fahatany. Tafiditra ao anatin’ny fitantanam-panjakana ny lanonana ofisialy. Handray ambasadaoro na ampahafantatra amin’ny vahoaka ny zava-bitanao ve ianao dia tsy hamoaka vola? Hafahafa ary mifono ny antsoina hoe “paralysie de l’administration” na tsy fahafahan’ny fitondrana mihetsika ny tian’ny GEN ahatongavana amin’ny fanambarany. Rehefa tsy afa-mihetsika ny fitondrana dia malemy ary mety hiongana ho azy, hoy hatrany ny JPRM.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT