Politique

Vovonana ho amin'ny fizakan-tenan'ny Faritra Mangataka ny fizakan-tena ara-bola sy ara-pitantana


  • Alatsinainy 21 Desambra 2020

Nitsangana tao Toamasina ny sabotsy 19 desambra teo ny "Vovonana ho amin'ny

 

 

Fizakan-tenan'ny Faritra sy ny Fanorenana ifotony an'i Madagasikara na "Plateforme pour l'Autonomie des Régions et la Refondation de la République de Madagascar”, taorian'ny famelabelarana ny tanjona kendren'izany Vovonana izany izay nataon'Atoa Zafivao Jean Louis, Filoha nasionalin'ny Antoko politika Gasy Mifankatia (GASY MI) sy Andriamatoa Joel Harisson Marie René, Filoha nasionalin'ny "Faribolana mandinika ny ho avin'i Madagasikara" na CRAM (Cercle de Réflexion pour l'Avenir de Madagascar). Aorian'ny fitetezana ireo Faritra miisa 22 mba ho fampahafantarana ny antony vao hatsangana ara-panjakana ny Birao_nasionaly. Maro no voalaza fa antony nananganana io vovonana io. Noho ny tatitra nataon'ny tompon'andraikitra eran-tany momba ny tontolo iainana WWF fa: "Ny toekaren'i Madagasikara no mitana ny laharana voalohany eran-tany amin'ny fahapotehan'ny tontolo iainana amin'ny taona 2050" ka nanapan-kevitra ny Antoko politika GASY MI sy ny Faribolana mandinika ny ho avin'i Madagasikara fa handray anjara amin'ny fanazavana ny loza mitatao eto amin'ny Firenena sy ampatsiahy ny fitondram-panjakana fa ny fametrahana ny Fizakan-tena ara-bola sy ara-pitantanana isam-paritra ihany no vaha olana amin'izao fahantrana lalim-paka mahazo ny firenena izao. Araka ny lalàna fehizoro 2014-018, andininy faha-16 dia milaza fa: Ny fitsinjaram-pahefana eo amin'ny Fanjakana sy ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia tsy maintsy mifantoka amin'ny tombontsoam-pirenena sy ny tombontsoa eny ifotony. Mangataka amin'ny fanjakana hanatanteraka ny fametrahana ny rafitra Fizakan-tena ara-bola sy ara-pitantanana eto Madagasikara ity vovonana ity, mba afahan'ireo olom-boafidy sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana manatanteraka ny vina fampandrosoana ny Faritra izay iadidiany mba afahan'izy ireo mamaha ny olana ara-tsosialy sy manatanteraka ny fotodrafitrasa ilain'ny vahoaka, ary miaro ny tontolo iainana ho an'ny taranaka fara aman-dimby.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT