Mila fiovàna mahery vaika ny firenena ka tokony hanao fifanekena amin’ny ankolafin-kery sosialy sy politika samihafa ny mpitondra fanjakana, izay tompon’antoka amin’ny firindran’ny fiaraha-monina, hoy ny filohan’ny vovonana politika Dinika iombonan-kevitra, Serge Zafimahova
. Sehatra lehibe ny « Fampihavanam-pirenena sy ny Fanavaozana ny Firenena sy ny Repoblika » satria azo tenenina fa misy fifandraisana amin’izany ihany koa ny teboka ho asiana tsindrim-peo manokana dia ny fiandranam-pirenena sy ny tany tan-dalàna, ny fitsinjaram-pahefana, ny fampianarana, ary ny politika iraisam-pirenena. Ny Fampihavanam-pirenena sy ny Fanavaozana ny Firenena sy ny Repoblika dia dingana tsy maintsy atao raha tiana ho mari-toerana ny firenena ary tokony eo ambany fiahian’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara na FFKM izany, hoy izy. Manana ny heriny sy ny fahalemeny ny FFKM kanefa mbola manana ny fahatokisan’ny vahoaka tsy mifidy finoana sy manana rafitra mipaika any amin’ny fokontany rehetra any. Hiangaviana ireo Raimandreny handray andraikitra amin’ny fikarakarana ny rindran-damina rehetra ka hiainga avy any amin’ny fokonolona izay miaina ao amin’ny fokontany ny lamina mikasika ny Fampihavanam-pirenena sy ny Fanavaozana ny Firenena sy ny Repoblika, hoy hatrany ny Dinike. Ilaina atao ao anatin’ny teny ierana ny fanovana ny Lalàmpanorena maro lafy, miainga amina volavolan-dalàmpanorenana telo na efatra azo isafidiana izay fidian’ny daholobe mivantana sy ny foto-kevi-dehibe hitondra ny tany sy ny firenena, hoy hatrany ity vovonana ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.