Teny amin’ny Fokontany Andranomanalina Isotry, Boriborintany Voalohany indray ny tolakandron’ny sabotsy 27 oktobra teo, no nanohizan’ny VOT na Vondron’olon-tsotra manohana ny filoha Marc Ravalomanana sy mitaky ny fiverenana amin’ny ara-dalŕna ny hetsika fanentanana sy fampitam-baovao amin’ny vahoaka eny ifotony mba tsy haha tompon-trano mihono azy ireo manoloana ny raharaham-pirenena.
Nisy, nandritra io fotoana io, ny fijoroana vavolombelona nataon’ny mponina eny an-toerana izay nilaza mazava fa diso fanantenana izy ireo ary diso lalana nanohana ireo mpitondra ankehitriny nivoaka tamin’ny fanonganam-panjakana ireo ary mahatsiaro voafitaka tokoa ka nangataka famelana amin’Atoa Marc Ravalomanana. Resy lahatra ireto olona ireto fa tsy misy afa tsy ity filoha teo aloha ity no afaka hanavotra ny firenena sy fiainan’ny Malagasy amin’izao fahantrana lalina manjo azy izao. Io sabotsy io moa dia nanambara ofisialy fa ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo atoa Marc Ravalomanana.
Nisy akony teny Andranomanalina izany ary nilaza ny teny, fa hametraka fitokisana aminy ary tsy hanaiky voavidy safidy sy fanangolena ataon’ny sasany. Nampitandrina ny fihetsik’ireo vahiny mitetika hampisara-bazana ny Malagasy hambaboana ny harena eto Madagasikara ireto mponina ireto ka nilaza fa an’ny Malagasy i Madagasikara ary zon’ny tompon-tanindrazana ny mody amin’ny tanindrazany fa tsy ny vahiny no hanakana azy. Marihana fa nisy hatrany ny fizarana izay tsirambin’ny tanana nataon’ny ekipa VOT, niainga avy amin’ny latsakemboka sy tsipaipaikan’ny mpikambana, toy kahie ho an’ny mpianatra sy ny vary ho an’ny fianakaviana sahirana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.