Nandefa taratasy misokatra any amin’ny masoivoho Frantsay ny Vondron’olon-tsotra (VOT) manohana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Naterin’izy ireo an-tanana tao amin’ny biraon’ny masoivoho etsy Ambatomena io taratasy io omaly misandratr’andro. Nametraka fanontaniana vitsivitsy amin’ny mpitondra fanjakana Frantsay, indrindra ny mpiandraikitra ny raharaham-bahiny ao Quai d’Orsay, ny VOT manoloana ny toe-draharaham-pirenena mitranga eto Madagasikara izay tsy ahitam-bahaolana ka mampitotongana ny fari-piainan’ny Vahoaka Malagasy sy ny firenena. Fahaleovantena tena izy tokoa ve no natolotrareo Frantsay ho an’i Madagasikara tamin’ny 26 jona 1960 ? Manaja ny fiandrianam-pirenena sy ny zon’olom-belona marina ve ianareo ? Vato misakana amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara ianareo ka nampitondra faisana anay vahoaka madinika noho ny fanohananareo ny mpanongam-panjakana teto Madagasikara, hoy ilay taratasy. Manan-jo sy safidy hiaina amin’ny fahalalahana araka ny demokrasia izahay Malagasy satria firenena mahaleotena, hoy ny VOT.
Takianay tsy misy fepetra araka ny voalaza anatin’ny tondrozotra ny hampodiana ireo sesitany politika tsy ankanavaka rehetra, indrindra Atoa Marc Ravalomanana izay nofidianay vahoaka maro an’isa, hoy hatrany ilay taratasy izay manamafy amin’ny tsy maintsy ho firotsahan-kofidian’Atoa Marc Ravalomanana ho filoham-pirenena ary koa mitaky ny hamoahana tsy misy fepetra an’ireo gadra politika sy sivily tsy ankanavaka araka ny voalazan’ny tondrozotra. Madagasikara an’ny Malagasy fa tsy an’ny vahiny, hoy ny VOT, ka tompon-tsafidy sy mandidy manapaka ny taninay izahay Malagasy ary manaja ny fiandrianam-pirenena araka ny soatoavina malagasy. Hitohy eny amin’ny birao fifandraisan’ny SADC sy ny masoivohon’i Afrika Atsimo ity hetsika fanairana ny sehatra iraisam-pirenena ataon’ny VOT ity.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.