Niala tamin’ny fahanginany ny Vondron'olon-tsotra (VOT) manohana ny Filoha Marc Ravalomanana manoloana izao zava-misy sy mitranga eto aminy firenena izao.
Hisy ny hetsika hataony ao amin’ny hotely Nalugaro 67ha rahampitso alarobia 03 oktobra maraina, hanaovana vaky bantsilana ny zava-manjo ny olon-tsotra eny anivon’ny fiarahamonina mba hahatonga saina ireo olom-bitsy mpamotika firenena ary koa hanairana ny sehatra iraisam-pirenena fa mijaly sy ory ny vahoaka Malagasy ary mitaky ny fampodiana ny filoha Marc Ravalomanana sy ny firotsahany hofidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena, hanehoan’ny vahoaka ny safidiny. Hisy koa ny fanangonan-tsonia hanamafisana io fitakiana io.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.