Toy ireo mpanao politika dia mba anisan’ireo mivory mandinika ny raharaham-pirenena ny Vondron’olon-tsotra Ambatondrazaka. Ankoatra ny fanaovana jeritodika tamin’ny taona lasa dia mba manana ny hetahetany sy ny faniriany tiana ho tanteraka amin’ity taona vaovao ity ny VOT Ambatondrazaka.
Tsy kivy fa manohy ny tolona hatrany ho fampodiana ny filoha Marc Ravalomanana eto Madagasikara ry zareo VOT any Antsihanaka. Nanova ny paikadiny izy ireo ary mihevitra fa tsy diso hatreto ny fanapahan-kevitra noraisina hatramin’izay, indrindra teo amin’ny fampandaniana ny kandida ho solombavambahoaka Dokotera Elie Rasoanaivo. Manaja ny demokrasia ny mpiara-mitolona kanefa tsy manaiky kosa ny fanaovana tsindry hazo lena ny vahoaka madinika izay efa niafy tao anatin’ny dimy taonan’ny tetezamita. Mitaky hatrany ny famoahana ny gadra politika sy ny hanokafana ireo haino aman-jery nakatona ary fampodiana ireo sesitany politika ny VOT any Ambatondrazaka. Miantso ny mpanao politika mba hijery ny tombontsoan’ny vahoaka izy ireo fa tsy ho variana amin’ny ady seza. Tinapaka nandritra ny fivoriana fa hanohy ny tolona hatrany izy ireo mandra-piverin’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana. Vonona handray andraikitra amin’ny fanarenana ny firenena ny VOT saingy mipetraka hatrany ny fepetra dia ny fampandresena ny tolona nanomboka tamin’ny 2009.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.