Politique

VOT Alaotra Mangoro Ny fodian-dRavalo no vahaolana amin’ny krizy


  • Alarobia 24 Oktobra 2012

Nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fikambanana Vondron’olon-tsotra (VOT) Alaotra Mangoro.

 Tamin’izany no nanehoan’izy ireo ny fijeriny mahakasika ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Tokana ihany hoy izy ireo ny vahaolana amin’izao krizy eto amin’ny firenena izao dia ny fodian-dRavalo sy ny filatsahany hofidiana. Tsy hisy mihitsy izany fitoniana izany raha tsy mody ny filoha Marc Ravalomanana araka ny fijerin’ireo VOT any amin’iny Faritra Alaotra Mangoro iny. Hitohy hatrany ny fijaliana mahazo ny vahoaka Malagasy raha mbola mitarazoka ny fampiharana ny tondrozotra dia ny andininy rehetra tsy misy hanalana na hanampiana, hoy izy ireo. Fehin-kevitra hitovizan’ny VOT manerana ny Faritra Alaotra Mangoro, hoy izy ireo ny fampodiana ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana sy ny fitakiana ny firotsahany amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Niditra nivantana tamin’io fotoana io ny filoha nasionaly ny Vondron’olon-tsotra Rtoa Sarah Zoé ka tamin’izany no nilazany fa tsy baikon’ny mpanao politika izahay ary tsy misy manery anay mihitsy, fa fitiavan-tanindrazana no hitolomanay, aza mety ho fitahin’ny mpanao politika ianareo, mody omeny seza dia variana. Tokana ny antsika ny tanjona, hoy izy dia ny fodian-dRavalo sy ny filatsahany hofidiana. Adidiko sy adidinao ny fanavotana ny firenena izay lalaovin’ireo mpanongam-panjakana. Tsy adinon-dRtoa filoha ny VOT manerana ny Nosy ny nampahery ireo vahoaka traboina any Anororo izay tany niaviany ary dia nilaza izy fa ho avy ny fotoana hitondrany izay voatsirambin’ny tanana hanampiana ireo traboina any an-toerana.

 

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT