Any amin’ny tsy mivonto no manaintaina! Tany Ankazobe no nisy olona 33 matin’ny dahalo, tany Ifanadiana no nisy 5 mianaka nataon’ny fahalo vono moka tamin’ny fomba feno habibiana,
saingy tetsy amin’ny Kianjan’I Behoririka no rakotra mpitandro filaminana zavon-tany, hary fitaovam-piadiana. Sanatria toa tahaka ireny any amin’ny tany miady ireny ny sary miseho. Angaha moa ny mpanohitra nanentana ny mpomba ho azy ho eny amin’ny Magro ny sabotsy teo? Mitaintain-dava tahaka sy sahobakaka ambodiriana ny Fanjakana, hany ka manao andrimaso amin’ny mety hisian’ny hetsika sy famoriam-bahoaka ara-politika ataon’ny mpanohitra etsy amin’ny Kianjan’I Magro Behoririka nanomboka ny 23 jolay 2022 teo. Na tsy misy aza ny antso sy toromarika avy amin’ny mpanohitra amin’ny mety hisian’ny famoriam-bahoaka eo amin’io toerana io, zary efa mandeha ho azy ny fiambenana ny olona tsy hiditra ao isan-kasabotsy. Tena izay ve sisa no fomba sy paikady mahomby indrindra hanoherana ny mpanohitra? Tena ny famoriam-bahoaka mety hiseho ao amin’ny Magro ve no atahorana eto fa tsy ny fahatezaram-bahoaka no ny tsy fisian’ny vahaolana mahomby sy maharitra eo anatrehan’ny fahantran’ny firenena? Ny olon’ny fitondrana na olom-boatendry ankehitriny no manao vava etsy sy eroa, fa olona efa naloham-bahoaka ny mpanohitra, tsy mahatarika olona intsony,… saingy ny fihetsika asehony dia maneho fa matahotra mafy ny Fanjakana. Heverina fa tsy resaka fanonganam-panjakana loatra no atahorany, fa ny mety hanehoan’ny olona hoe: tena tsy manjary intsony ilay fitondrana, mikoroso fahana ny firenena, ka aleo manamaro isa ny mpanohitra hanehoana fa leo sy tofoka ny vahoaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.