Politique

Vonison Andrianjato “Miha tsy marin-toerana hatrany ny fitondrana”


  • Talata 22 Septambra 2020

Mifanenjana amin’ny heveriny fa rariny sy hitsiny ny mpitondra sy ny mpanohitra. Miha mifoha ireo toe-javatra maneho ny tsy fahamarinan-toeran’ny fitondrana Rajoelina.

 

 

Fohazin’ny mpanohitra ny raharaha “doublon”, toherin’ny mpanohitra ny andrim-panjakana toy ny HCC sy ny CENI,… Mba manenjana ny fitondrana amin’ny alalan’ny amboletra sy herisetra. Mahatoky tena loatra ny Fanjakana Rajoelina satria heverina fa maharo azy ny kajikajy samihafa apetrany. Miha mitsingilaila hatrany anefa ny fitondrana. Nisy ny fanehoan-kevitra nataona minisitra teo aloha, Atoa Vonison Andrianjato omaly tao amina onjampeo tsy miankina iray momba ny fifandanjan-kery ara-politika amin’izao. Mafy i Marc Ravalomanana nahazo vato 2,4 tapitrisa kanefa tsy ao anaty fanjakana mbola misy resaka "doublon" sy resaka hala-bato, raha ny voalazan’io fanehoan-kevitra io tamin’ny ankapobeny. Ny toeran’ny Praiminisitra sy ny minisitry ny atitany izay nanana andraikitra goavana tamin’ny fifidianana no nangatahin'i Andry Rajoelina tao anatin'ny dinika Antsahadinta tamin'ireny krizin'ny 2018 nisiana fidinanana an-dalana, hoy ity Minisitra teo aloha ity. Nalaza ny fampiasam-bola be, toa endrika fandrangarangana ady ny fisiana fitaovam-piadiana nampidirina teto tao anatin’ny propagandy,… Mitsingilaila anefa ny fitondrana ankehitriny, hoy izy ka mety ho tonga amin’ny tenin’ilay depiote iray hoe tsy mila aongana io fa miongana ho azy toy ny manga masaka, raha tsy mitandrina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT