Politique

Vonison Andrianjato ` “Efa niala nenina tamin’i Andry Rajoelina aho”


  • Alarobia 10 Febroary 2021

Omaly ny fotoana voatondro hanadihadiana an’Atoa Vonison Andrainjato teny

 

 


amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava eny Fiadanana, saingy tsy tanteraka.
“Miezaka ny ho tony tsara aho, ary fantatro ny hoe manao politika eto Madagasikara. Efa 40 taona lasa no nanaovako politika ary isan’ny niainako hakiviana, horohoro, fanazimbazimbana tamin’ny politika, kanefa raisiko ho zezika hampiroboroboana ny famokaran-kevitra ho an’ity Madagasikara ity ny zava-misy ombieny ombieny, hoy i Vonison Andrianjato raha niditra mivantana tao amin’ny Miara-manonja omaly. Raha ny politika eto no zohiana, dia efa tafajanona tany Canada aho, na tany Etazonia, ary nanomboka tany Frantsa ny tenako, saingy misy hery, misy hevitra, mbola tsy voazara ho an’ity Madagasikara ity. Tao anatin’ny roa taona no efa nanaovana fihetsika feno fandeferana nentina namondrona ny mpanao politika mpanohitra. Tsoriko, fa niala nenina tamin’ny Filohan’ny Repoblika amin’izao ny tenako amin’ny fomba hanajariana ny fitantanana eto. Sanatria ho an’I Ndrainjato ny nanao banga mihomehy alina amin’ny tsy fihetezana rehetra teto Madagasikara. Adinoko izany. Ho an'ny politikako dia mazava "j'oublie et je pardonne!", hoy izy. Samia velon’aina hahita ny zava-misy eto amin’ity firenena. Raha ny fahitako ny zavatra hatrizay, tsy mandeha ary rehefa tonga amin’ny ohatr’izao ny fandehan’ny toe-javatra dia efa “misy raha la terre”, hoy ity Minisitra teo aloha ity. Nambarany fa nisy antony ny nanapahan’ny mpamatsy vola ny famatsiana tamin’ny fiafaran’ny fitondrana Ravalomanana, ary tsy kivaririvary ny nametrahana an’i Andry Rajoelina fa ny fiverenana amina lamina araka ny lalàmpanorenana, saingy heveriny fa mety ny nataony, ary mbola tohizany amin’izao, ka ny firenena tsy ananan-kavana, hoy i Vonison Andrianjato, izay nankahery ireo namany ao amin’ny Miara-manonja.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT