Nitondra fanakianana mafy eo anatrehan’ny fihetsiky ny fitondrana ankehitriny
ny solombavambahoakan’i Morafenobe Voninahitsy Jean Eugène tao amina onjam-peo iray omaly . Tsy mahazaka demokarsia ny Fitondrana, ary izay manakiana dia hamoronana dosie hogadraina avokoa, saingy nilaza ny hijoro eo anatrehan’ny tsy rariny ity depiote ity. “Ny Pr Zafy Albert no Raiamandren’ny demokrasia teto, be no niteniteny fa tsy nogadrainy, izahay isan’ny nanohitra fa tsy nogadrainy. Tamin-dRatsiraka nigadrako rehefa namoaka ny resaka “pont flottant”, tamin’i Marc Ravalomanana nigadrako satria tsy mety ny nataony,… Izay managadra mpanao politika amin’ny tsy rariny dia efa tadiaviny ny lavaka hisitrihan’ny lohany. Na tiana na tsy tiany tsy maintsy hitovy amin’ireny olona ireny, raha mbola mitohy io raha tsisy fanamboarana dia tapahako ity tànako fa miongana eo io fitondrana io, miongana eo io, hoy ny Solombavambahoakan’i Morafenobe Voninahitsy Jean Eugène tamina onjam-peo tsy miankina iray omaly. Matoa aho milaza an’io dia milaza ny fahamarinana, ka mampitandrina anareo aho, mahaiza manatsoaka lesona amin’ny nataon’ny hafa mba tsy hahavoa. Izao na minisitra aza antsoinao amin’ny finday rehefa tsy IRD ianao dia sarotra no ahazoana azy, ny vavan’ny sasany izany kanefa olon-tinendry. Izaho olom-boafidy, ary raha tsy hamoronana dosie aho tsy migadra. Izaho no hogadragadraina fahatany amin’ny zavatra tsisy dikany, 3 taona, 4 volana no tany am-ponja tany Antanimora sy Tsiafahy tamin’ny Fitondrana Ravalomanana, fa mbola izaho ity. Ireny ary tsy natahorako mainka fa ity Fitondrana ity no ho atahorako, raha misy zavatra tsy mety dia tsy maintsy havoakako. Izaho efa manomboka “hi-dénoncer” amin’izay izao fa tsy misy zavatra atahorako intsony. Izaho depiote GPR manohana programan’ny Filoha, kanefa rehefa poakaty no atao eo, dia tsy namany aho, ary tsy matahotra azy aho, non non non non” , hoy hatrany io depiote io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.