Politique

Voninahitsy Jean Eugčne Tsy maintsy atao ny famotsoran-keloka


  • Alakamisy 06 Janoary 2011


Na dia eo aza ny filazan’ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita Andry Rajoelina fa ny olom-boafidy ao amin’ny Parlemanta ihany no afaka mandinika sy mandany ny famotsoran-keloka faobe, dia henitra i Voninahitsy Jean Eugène, gadra politika teo aloha, filohan’ny antoko Rpsd vaovao no sady mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita fa afaka manao izany tsara ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita amin’izao fotoana. Aminy dia afaka mandinika tsara ity resaka famotsoran-keloka ity ny Parlemantan’ny tetezamita mijoro amin’izao fotoana, ary tokony ho lany sy mihatra mialohan’ny fifidianana rehetra kasaina hatao izany.

«Raisiko ho fanakanana anay an-kolaka na mivantana mihitsy ho kandida amin’ny fifidianana ny fampitarazohana ny fandaniana ny famotsoran-keloka», hoy i Voninahitsy Jean Eugène, izay nanamafy fa hiala tsy ho mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita eny Tsimbazaza intsony ny tenany raha toa ka tsy lany amin’ny fotoam-pivoriana manaraka izao ity resaka famotsoran-keloka ity. Araka ny tsiliantsofina re tokoa mantsy dia manam-paniriana ny ho kandida amin’ny fifidianana solombavam-bahoaka ao amin’ny distrikan’i Maintirano i Voninahitsy, toerana izay efa nipetrahany in-telo miantoana, mialohan’ny nidirany am-ponja tamin’ny 2004. Raha ny fanadihadiana natao dia mbola maro ireo mpomba azy any Maintirano sy amin’ny faritr’i Melaky iny mihitsy, satria na ahoana na ahoana filaza dia voasokajy ho anisan’ireo ray amandreny nahavita be tamin’ny mpiray monina taminy i Voninahitsy Jean Eugène. 

RTT
 
Sary : Voninahitsy Jean Eugène, filohan’ny antoko RPSD Vaovao

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT