Politique

Voninahitsy Jean Eugčne I Melaky no hoavin’i Madagasikara


  • Zoma 26 Oktobra 2012


 Tia tanindrazana (TT) : Fa nahoana no mipatitaka ary tena miady mihitsy ianareo mpanohana an’i Andry Rajoelina ?

Voninahitsy Jean Eugène (VJE) : Tahaka ny tokantrano ihany io. Misy foana ny tsy fitovian-kevitra fa mba tokony samy hitana ny etika politikany ny tsirairay. Na inona na inona zavatra manafintohina anay, eny fa na ny hasinay aza, dia ny tondrozotra ihany no toavinay. Rehefa nanao sonia ny tondrozotra izahay dia midika fa mankato an’i Andry Rajoeliona ho filohan’ny tetezamita sy Beriziky Omer ho praiminisitra iombonana. Hatreo ihany. Tsy mety raha izahay indray no hanozongozona ny tetezamita na an’i Andry Rajoelina satria mitana ny teninay hatramin’ny farany izahay. Ny fiarahana rehefa avy eo indray dia tsy mbola fantatra satria ny Les AS tsy mbola niresaka momba izany mihitsy aloha. Hanohana an’i Andry Rajoelina amin’ny fifidianana ve sa izy no hanohana ny firotsahako ? Mbola baraingo ny amin’izay aloha. Misy milaza fa Les AS dia efa manohana an’i Andry Rajoelina ? Inona anefa moa no olana amin’izany raha mifanaraka izahay. Fa tsy mbola tonga amin’izany anefa izao. Izahay mbamin-dry Pety anie no nanorina ny “Forces du Changement” fa rehefa tsy zakan-dry zalahy izahay dia namorona io UDR-C io izy ireo e ! Ny fepetra napetrany dia hoe olona afaka miteny fa manohana an’i Andry Rajoelina amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika no miditra mpikambana. Dia nilaza izahay fa tsy afaka miditra amin’izany satria manana ny satanay sy fitsipika anatiny mifehy anay ny antoko misy anay. Mandritra ny Kongresy no anapahana izay olona hatolotra amin’ny fifidianana na izay tohanana. Tsy hanohana kandida izany koa izahay raha tsy mazava ny fififanarahana satria efa nahazo anay RPSD Vaovao izany tamin’i Marc Ravalomanana. Izaho indray aza no nigadra voalohany.

TT : Isaky ny miteny ianao dia amin’ny anaran’ny Les AS foana fa tsy miresaka RPSD Vaovao intsony ?
VJE :
Alohan’ny maha Les AS dia tsy maintsy RPSD Vaovao. Io vondron’antoko io no “acteur politique” amin’izao tetezamita izao izany hoe mampisongadina fa tsy ny antoko na fikambanana politika mikambana ao aminy. Tsy midika anefa izany fa atao ankilabao ny maha filohan’ny RPSD Vaovao ahy. Izahay rahateo koa efa nifanaraka fa tsy hitondra ny anaran’ny antokonay amin’ny fifidianana fa hirotsaka amin’ny alalan’ny Les AS.

TT : Momba izay fifidianana izay indrindra, handray anjara ve ianao, dia amin’ny fifidianana inona satria efa in’efatra voafidy solombavambahoaka ianao ?
VJE :
In’efatra tokoa aho no solombavambahoaka ary indray mandeha no filohan’ny Fivondronana. Ny olona moa raha manao politika dia manana tanjona tratrarina. Raha tena mpitarika politika anefa dia tsy tokony hijery fotsiny ny zavatra tsy mety ataon’ny mpitondra. Izay no nampigadra ahy tamin’ny andron-dRatsiraka sy Ravalomanana. Mba tokony hanana fahasahiana milaza ny marina sy mamaky bantsilana ny mpanao politika. Raha fitiavan-tena sy fitiavam-bola fotsiny no anaovana politika dia haiko ny nanafosafo an-dRatsiraka sy Ravalomanana nefa tsy izay no nataoko. Efa nilatsaka ho filohan’ny Antenimiera in-droa miantoana aho fa tsy lany satria tsy mbola sitrapon’Andriamanitra izany. Kristianina ny tenako ka mametraka ny fiainako amin’Andriamanitra. Ny faniriako dia ny hahazo fahefana hanatsarana ny fiainan’ny vahoaka. Raha ny faniriako koa dia hirotsaka filoham-pirenena nefa noho ny fanajana ny demokrasia dia tsy afaka manapaka samirery aho fa ny Les AS no misafidy izay olona hatolony izay tsy voatery ho izaho. Maro no mety manana izay faniriana ho kandida izay ao. Raha milaza moa ny Les AS fa izaho no halatsaka dia manao aho. Afaka milatsaka avokoa ny olon-drehetra afa-tsy Ravalomanana. Nampamono olona izy nefa mbola mitabataba ihany. Tsy mba mipitrapitra mampalahelo izy fa vao mainka mivandravandra mampatahotra. Izaho mamela heloka azy amin’ny nataony ahy fa tsy afaka hanery ny olona kosa anefa. Tsy mbola mahasoa antsika sy tsy mahasoa azy ihany koa ny fiverenany eto izao satria tsy mbola mikatona ny fery. Raha miverina eto Ravalomanana ka ho faty e ! Tamin’ilay hoe fiverenany iny anie ka efa nisy olona nivonona hitifitra azy e na dia handotoana an’i Andry Rajoelina fotsiny aza. Tsy tokony hanao an-tery hiverina eto izy fa ho vonoin’ny olona. Efa nolazaiko ny SADC izany. Araka izany dia hikorontana koa ny firenena raha mbola misisika ihany izy. Tsy mety kosa ny fisakanana an’i Andry Rajoelina. Izy anie ka olona tsy nigadra. Aleo ny fifidianana no hitsara izay nataony tamin’ity tetezamita ity. Raha tsapan’ny vahoaka fa tsy nety ny nataony dia iza no mbola hifidy azy indray?

TT : Sao dia mba tahotran-dRavalomanana kosa ny anareo, sao lany izy raha mirotsaka ?
VJE :
Izaho aloha tsy matahotra azy nefa mety misy matahotra azy koa. Any (Afrika Atsimo) aza moa izy afaka manakorontana ka vao mainka tafody eto ? Tokony hofaritana mazava ao anatin’ny volavolan-dalam-pifidianana fa ny volam-panjakana nangalarina dia tsy azo ampiasaina amin’ny fifidianana. Izy anefa raha hirotsaka dia tsy maintsy hampiasa io vola be io. Dia ny hafa izany ahoana ?

TT : Maro ny fampanantenana nataon’ny filohan’ny FAT tany Melaky : hopitaly, oniversite nefa tsy misy tokotaniny amin’izao. Faritra niavinao io nefa tsy ahenoan-teny mihitsy ianao ?
VJE :
Efa nanao antso aho ka. Heverinareo moa fa mahafaly ahy ny resaka Wisco izay ao Besalampy no misy ny ampahany betsaka amin’ny fitrandrahana vy ataony nefa tsy mahazo tombontsoa aminy mihitsy ny Faritra Melaky ? Na biriky iray momba ny hopitaly manara-penitra aza mbola tsy mitsangana. Torak’izay koa ilay oniversite nampanantenaina. Efa nampahatsiahy an’i Andry Rajoelina aho fa handoto azy io satria ny anay izay nivoahan’ny vola tsy misy resaka nefa ny an’olona efa vita avokoa. Maharary ahy anie izany e. Anjaran’ny filohan’ny tetezamita no mamaly ny fanontanian’ny vahoaka hoe : inona moa mba vitanao taty raha hilatsaka izy ? Izaho eto dia mandroso sosokevitra azy hanomboka ireny ho hitan’olona izany. Tsy izany anefa no andeha hanitrikitrihako ka hanozongozonako azy eo. Raha ohatra moa mihevitra izy fa vitsy mponina any aminay izany hoe vitsy mpifidy dia tsy karakaraina loatra dia azy manokana izay. Raha izaho kosa no filoham-pirenena dia tsy asiako faritra tara izany. Any Melaky anie no hoavin’i Madagasikara e. Misy an’i Bemolanga sy Tsimiroro any izay hatomboka amin’ny fomba ofisialy amin’ny 30 oktobra izao ny famokarana voalohany. Manana ny ranomasina koa izahay any. Ny mpitondra amin’izao fotoana izany dia tsy tokony hanao tsinotsinona iny faritra iny. Tena mahonena mihitsy any izao, tsy lalana tsy inona. Raha ampahany tamin’ny 100 tapitrisa dolara avy amin’ny Wisco iny fotsiny no nampiasaina dia efa vita tara avokoa ny lalana any.

TT : Mpanao politika ve ianao ity sa mpanao bizina satria sahinao no nilaza fa tsy handany ny “Loi de finances” ianareo parlemantera raha tsy mahazo ny tombontsoanareo ?
VJE :
Mpanao politika aho fa tsy mpanao bizina. Tombontsoanay anie no takianay tamin’ny minisitry ny tetibola ary nekeny avokoa izany nefa tsy tanterahany. Efa voalazan’ny lalàna ireo tombotsoanay ireo ka takianay fa tsy ianao no hanao izay tianao eto. Mihevitra ny tenanao ho minisitra ambonin’ny ministra “superministre”. Ka raha mba misy azonay atao koa hanakanana azy dia ataonay koa izany. Asaina aloanay mialoha “avance” avokoa anie ny saran-dalana sy ny taratasin-tsolika miala any amin’ny faritra misy anay makaty an-drenivohitra. Miala tsiny fa tena manao tsinontsinona anay io minisitra io ka amin’ity dia hifankahita aminay izy. Tsy tiako ny ahy io manindry bokatra io, fa rehefa minisitra dia mitovy laharana avokoa.

TT : Manohitra ny fidiran’ny FFKM amin’ny fanelanelana ianao satria ny filohan’ny FJKM, hoy ianao olona akaiky an-dRavalomanana. Ny filohan’ny EKAR koa anefa fantatra fa manohana an-dRajoelina. Koa tsy efa mi-“se neutraliser” ve izany ?
VJE :
Raimandreny antampon’ny loha ireo ka ny asany dia ny mivavaka sy mandohalika mandrakariva ho an’ity firenena ity. Efa nanao fanelanelanana anie ry zareo fa niala kanefa izao indray dia milaza fa hiverina. Amiko dia tsy tokony hiditra mihitsy ny FFKM. Ao anatin’ny tondrozotra dia ny fanarahamaso “contrôle et suivi” no asany ka izay no tokony sahaniny fa tsy mety ny mitsabatsabaka. Andraikitra lehibe mihitsy anie izany miandry azy ireo izany e amin’ny alalan’ny fitenenana izay mibirioka. Izahay koa anie mba tsy mankasitraka ny fanatontosana miaraka ny fihodianana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy ny fifidianana solombavambahoaka nefa rehefa izay no nolazain’ny tondrozotra dia nekenay.

TT : Saika manakiana ny FFM avokoa ny ankamaroan’ny mpanao politika. Olona 4 amin’ny 44 ihany anefa no mety manana fiandaniana ao izany hoe tsy haharesy dohika ny maro an’isa mihitsy izany ireo olona ireo. Ny hevitrao?
VJE :
Izaho indray aloha dia tsy mametraka olana amin’io ary ny govermenta koa tsy tokony hitsabaka amin’ny zavatra efa vita. Raha ajanon’izy ireo fotsiny ny maha mpanao politika azy taloha fa manao ny asany amin’ny maha mpampihavana izy dia izay no izy. Ahoana moa no hieritreretana fa ireo olona 4 ireo no tena manana sain-dratsy ka hanjakazaka amin’ny mpikambana FFM 40 hafa. Aminay dia aleo ho eo ry zareo fa manakorontan-javatra izany. Misy fahadisoan’ny governemanta koa amin’io rehefa tsy nametraka ny fepetra fisafidianana ny FFM izy. Misy “flou juridique” ilay izy nefa tokony nasiana voalolan-dalàna mazava.

TT : Ny teninao farany ary ?
VJE :
Manainga ny mpanao politika aho mba hiorina ao am-po sy fanahintsika ny fitiavan-tanindrazana fa tsy ho tia tena sy voninahitra. Ny seza anie tsy tadiavina fa tonga ho azy e ! Izaho izao nilatsaka filohan’ny Kongresy in-droa fa ny namako ihany no namango ahy. Tsy avelako hilalao baolina samirery izany ny mpifanandrina ara-politika amiko ka izany no hilatsahako. Sady izay koa no itsapako ny heriko. Tsy ny nivadihan’ny UDR-C sy ny TGV tamiko raha nifaninana tamin’i Mamy Rakotoarivelo aho noho ny toromarika avy amin’i Andry Rajoelina no nampahalahelo ahy fa ny fizarana vilany ny toerana satria raha 20 no anay dia manana 52 ny sasany. Tsy izany toe-javatra izay anefa no tsy hitiavako ny filoha satria nanana ny antony izy. Manohana azy mitarika ny tetezamita aho fa any amin’ny fifidianana indray zavatra hafa. Any indray mifanaraka na samy mandeha samy mitady. Tsy mipetrapotsiny anefa aho fa misoko mangina mitady kandida atolotra amin’ny fifidianana depiote. Tsy misy antoko afaka milaza ho matanjaka eto fa amin’ny fifidianana izany vao fantatra. Ny antsoko izany dia hoe andao hiatrika fifidianana fa aza korontanina ny firenena. Aoka hifandefitra koa ny Malagasy rehetra.

Nangonin’i Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT