Raha nivahiny tao amina onjampeo tsy miankina iray eto an-drenivohitra omaly antoandro Atoa Voninahitsy Jean Eugčne dia nanamafy fa manohana 100% ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny tenany. Mbola nolazainy ihany koa fa noho ny fizahozahoana sy ny vava diso tafahoatra nataon’ny MAPAR no mahatonga ny toe-draharaha politika misahotaka amin’ny fanendrena izay ho praiminisitra.
Samy manana ny fomba fandraisany sy ny fandikany ilay andininy faha-54 ao amin’ny lalàmpanorenana ny tsirairay, hoy ity filoha mitarika ny Les AS ity, ary aminy dia mitombina tsara ny fanoloran’ny vondrona PMP (Plateforme pour la Majorité Présidentielle) an’i Dr Jules Etienne ho praiminisitra satria manana solombavambahoaka maro an’isa eny amin’ny Antenimieram-pirenena ity vovonana goavana ity. Isa no resaka eto, isan’ny solombavambahoaka efa miasa ao Tsimbazaza ka ny PMP dia milaza fa manana solombavambahaoka manodidina ny 90, ka lôjika raha manolotra anarana olona hotendrena ho praiminisitra ihany koa izy, hoy hatrany i Voninahitsy. Aminy ihany koa dia tsy tokony hanahy na hatahotra ny tsindry bokotra izany ireo solombavambahoaka ao amin’ny GPS (Groupe Parlementaire Spécial) fa mbola azon’izy ireo atao tsara ny miala amin’ny MAPAR satria tsy mbola nisy fananganana vondrona parlemantera mihitsy teny Tsimbazaza ary ny depioten’ny GPS dia tsy MAPAR akory fa nifanaraka mba hiara-kiasa amin’ny MAPAR fotsiny. Raha ny fahitan’i Voninahitsy Jean Eugène azy dia norafetina hanaraka ny hetahetan’i Andry Rajoelina ilay lalàmpanorenana nolaniana tamin’ny 2010 satria noheverina fa izy no ho lany filoham-pirenena. Tsy izany anefa no mitranga ankehitriny fa i Hery Rajaonarimampianina izay tsy noeritreretina ho lasa filoha mihitsy indray andro any no tafiditra ao Ambohitsorohitra. Mety ho noho izany no mampikorapaka ny sasany, hoy i Voninahitsy. Be vava sy misekoseko loatra ny MAPAR sy ny olona sasany miara-dia aminy kanefa tsy manan-kevitra alahatra akory fa ny manala-baraka sy miditra amin’ny fiainan’olona no tena hain’izy ireo, hoy hatrany i Voninahitsy Jean Eugène, izay nanitrikitrika fa afaka mifampitana sy miady hevitra tsara amin’i Naivo Raholdina (depiote MAPAR – Antananarivo V) tsara ny tenany raha sahy miatrika azy ity farany. Mazava ny resaka eto fa dia efa nifindra lasy fa tsy miara-dia intsony amin’i Andry Rajoelina sy ny ekipany intsony (indray) i Voninahitsy Eugène fa manatevin-daharana ny ekipan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ary raha ny filazany aza dia tsy maninona mihitsy raha vonona ny hanolo-tanana ny ankolafy Ravalomanana fa dia vonona ny hiaraka hiasa izy.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.