Politique

Vondron’olona miaro ny fitondrana “Ny ato anatiny no mila manao fikaonandoha aloha”


  • Alakamisy 21 Jolay 2022

Anjaran’ny filoham-pirenena ankehitriny no mandray fepetra manoloana ny zava-misy amin’ny alalan’ireto minisitera be dia be nampandraiketina andraikitra ireto,

hoy ny VMF na Vondron’olona miaro ny fitondrana ankehitriny eto Madagasikara. Tsy hahenoana teny, hoy ny filohan’izy ireo, Falson Jocelyn Rantenaina, izao ny minisitry ny fitaterana. Anjaran’ny filoham-pirenena no manome baiko hentitra ireo mpikamban’ny governemanta voakasiky ny zava-misy. Matoa ianao nisafidy ny hipetraka eo dia tokony hanana vahaolana amin’ny olana miseho. Tsy fotoana hidirana amina fikaonandoha na tetezamita izao. Tsy ilaina intsony izany. Miantso ny filohan’ny repoblika izahay handray fepetra amin’izay minisitra tsy mahatanteraka ny andraikitra nomena azy. Mipaka any amin’ny filohan’ny repoblika ny tsy fahaizan’ny minisitra sasany, ny tsy fahavitan’ny minisitra sasany ny asa nampandraiketina azy. Miantso ny fihaonan’ny firaisankinan’ny governemanta na miaraka amin’ireo depiote na loholona sy andrim-panjakana hafa. Ny ato anatiny no mila manao fikaonandoha aloha vao miitatra any ivelany raha ilaina, hoy hatrany ny VMF.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny VMF
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT