Politique

Vondron’ny tanora Malagasy “Miha sarotra ny toe-draharaha”


  • Alatsinainy 21 Martsa 2022

Miditra anatina kion-dalana tsy azo ihodivirana ankehitriny izao tontolo izao manoloana ity adin’i Okrainina sy Rosia ity, hoy ny filohan’ny Vondron’ny tanora Malagasy na VTM, Njaka Andriantsoa.

 Na inona ataon’ny vahoaka Malagasy sy ny mpitondrany koa dia tsy maintsy hisy fiantraikany ara-toekarena sy sosialy ny zava-misy, hoy izy. Iaraha-mahalala fa mbola firenena miankin-doha amin’ny firenena matanjaka isika. Herintaona izahay no efa nanapa-kevitra sahady, noho izany, hampianatra ny fiarovana ny tontolo iainana. Eo koa ny fiarovana ireo zavamanan’aina anaty ala sy ny tontolo an-tanàn-dehibe. Nampianarinay, noho izany, ny olona mba hanao saribao vita amin’ny fako. Nitetezanay faritra sy distrika maro izany. Isany koa ny fampananan’asa ny tanora amin’ny alalan’ny fiompiana izay tsy ilany fandaniam-bola be fa afaka mividy atody izy dia iny no ahotrika mba ho foy. Nampianatra azy ireo ihany koa izahay hanamboatra fampanatodizana na “couveuse” haha foy atody nefa tsy ilana reny akoho. Maro no nampianarinay ny tanora sy vahoaka Malagasy tao anatin’izay fotoana lavalava izay. Na dia tokony ho andraikitry ny fitondram-panjakana aza izany dia nanoloranay tena. Miha sarotra izao ny toe-draharaha ary na teo aza ny finiavana dia mbola maro ny sakana, indrindra, ny ara-bola. Manana mpikambana anatina distrika miisa 24 eo izao izahay izay mivondrona anatina koperativa antsoina hoe tontolo iainana, hoy hatrany ny VTM.

J. Mirija

Legende: Ny filohan’ny VTM

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT