Politique

Vondron’ny mpanohitra Ho tonga hatraiza ny fiarahana ?


  • Zoma 03 Jona 2022

Namaly ny antson'ny Filoha Ravalomanana ny fanoherana ao anatin'ny vondrona Panorama sy ny RMDM. Nampitovy tadin-dokanga mba hanamafisana fa ilaina ny fifampidinihana na ny fikaonan-doha nasionaly na “concertation nationale” mialohan'ny fifidianana.

Niombon-kevitra amin’io ihany ireo mivondrona ao amin'ny fikambanana Avara-pianarana avy any amin'ny faritra Atsimo Atsinanana, raha mahita ny fahantrana lalina mianjady amin'ny mponina any Atsimo Atsinananana, ka nanainga ny rehetra mba hanohana ny antson'ny Filoha Ravalomanana, mba hamondrona hery sy hiray hina , fa latsaka an-katerena ny firenena, hoy izy ireo. Mitohy izany ny fampitoviana tandin-dokanga ara-politika ho an’ny fanoherana eo anatrehan’ny toe-draharaham-pirenena. Tazana teny Faravohitra niatrika ny fihaonana ireo mpitarika politika samihafa tahaka an-dry Alain Andriamiseza izay ao anatin’ny RMDM, Rachidy Mohamed ao anatin’ny HVM sady mpitarika ny Vondrona PANORAMA, Alain Désiré Resambany mpitarika ny HVM, Olivier Rakotovazaha avy amin’ny MFM,… Miezaka mampitovy tadin-dokanga izany ny mpanohitra mba hanana fijery mitovy hiatrehana ny raharaham-pirenena. Ny Fikaonan-doham-pirenena hatreto no heverin’izy ireo fa ahafahana mandamina sy mametraka lamina vaovao eto amin’ny firenena mba hahatongavana amin’ny fifidianana madio. Mitombo ny tsindry mahazo ny Fanjakana eo anatrehan’ny fifanantonan’ny mpanohitra na mety tsy hitovy 100% aza ny hevitr’ireo satria mety samy hanana ny tanjony sy ny kajiny. Na izany aza, voasokajy ho hery lehibe eto amin’ny firenena ireo, afaka mametraka ny fifandanjan-kery ara-politika. Samy manana ny heveriny fa tanjaka ara-politikany, saingy hamparefo an’ireo ny fisamatsamahana. Mety ho tonga amin’ny fanolorana kandida iraisana amin’ny fifidianana ve ireo sa samy handeha amin’ny anarany? Mampametra-panontaniana kosa etsy andaniny ny hoe: ho tonga hatraiza ny fiarahan’izy ireo? Ho sarotra ny handresy an’i Andry Rajoelina sy ny ekipany raha tsy miray hina ireo samy mpanohitra. Ny herinandro lasa teo, efa nilaza i Marc Ravalomanana izay Filoha nasionalin’ny RMDM fa ny hetrakatraka sy ny antsojay atao amin’ny mpanohitra, tahaka ny fanakanana ny fameloma-maso ny antoko TIM tany Antsirabe, dia efa taratry ny fifidianana tsy azo hitokisana sy feno hala-bato. Ny fivondronan’ny mpanohitra dia mivadika ho arofanina ho an’ny mpitondra tsy ahafahany manao izay tiany tahaka ny amin’ny fifidianana raha tena tafapetraka tokoa ny fiombonana tena izy ho an’ny fanoherana. Sarotra izany hoe: hanao amboletra amin’ny fifidianana tsy hisy fandraisan’anjaran’ireo hery politika voasokajy ho lehibe, fa eny ambony latabatra ihany no mety hiafaran’ny resaka. Tsy hampisy fahamarinan-toeran’ny Filoha ankehitriny sy ny ekipany ny fanaovana amboletra sy hanao izay faraheriny hitazonana fahefana. Asa hanao ahoana ny ho tohin’ny toe-draharaha politika eto ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT