Manoloana ny filazana fa vaky roa ny rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara ka misy sahy milaza fa izy ireo no tena RMDM dia aleo tsorina, hoy ny talen’ny serasera eo anivon’ny RMDM, Gaby Vakiniadiana,
fa zon’ny olona ny miditra sy miala tsy ho mpanohitra intsony. Tsy lojika kosa anefa izany milaza azy ho mpanohitra nefa manohana fitondrana izany. Tsy rodoben’ny mpanohitra izany, hoy izy, aminay no fanalavana ilay hoe TRMDM fa tsy hoe tena rodobe. Ry zareo ihany no nilaza fa momba ny fitondrana ka noho izany tsy misy maha mpanohitra azy. Ny RMDM hatreto dia mbola mijoro, manana ny foibeny, ny filohany, ny olona ao anatiny fa aiza ny foiben’izany tsy RMDM izany ? Sao dia mba fitaovan’ny fanjakana fotsiny ireo, hoy hatrany ity tale ity, satria ny olombelona mikarama? Sao dia nentin’ny fitiavan-kely sy vola? 6 volana lasa ireny olona ireny izay no niala tao amin’ny RMDM ary tsy te hilaza ny antony nialany izahay, hoy hatrany ity vovonana politika ity. Aleo izy ireo ihany no hivaky ny antony fa aminay ny atao hoe mpanohitra dia manohitra fitondrana fa tsy hoe mpanohitra manohana fitondrana, hoy hatrany ny RMDM.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.