Vondrona politika niara-nametraka fitoriana sy fitarainana momba ny fanaovana
hosoka sy fampiasana hosoka tao anatin’ireo fifidianana nanomboka ny taona 2012 teny amin’ny sampan-draharaha misahana ny kolikoly farany teo ny FNL na “Front national de libération”. Mety ho maromaro no voasaringotr’izany, raha ny fanazavan’ny mpandrindra nasionaly, Iada, satria mety hanomboka hatrany amin’ny filoham-pokontany ka hatramin’izay nandray anjara rehetra tamin’ny fanoratana sy fampiasana lisi-pifidianana sy ny fikirakirana hafa rehetra. Fampanjakana ny tany tan-dalàna no tanjona ary izay no anton’ilay fitoriana mifantoka amin’ny resaka hosoka sy fanaovana hosoka fa tsy resaka politika. Tsy hiteraka korontana izany satria nanaja ny andrim-panjakana izahay nametraka ny fitoriana, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.