Raha ny depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel voafidy tany amin’ny distrikan’Ikongo tany aloha tany no mpitondra teny mahazatra ny Vondrona
Parlemantera maro an’isa IRD dia gaga ny mpanara-baovao politika fa niova tampoka ho ny depiote Naivo Raholdina voafidy teto amin’ny boriborintany faha-5 Antananarivo-Renivohitra izany tamin’ity herinandro hitsahana ity raha nanao fanambarana amin’ny famporisihana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tsy hihemotra fa hanohy ny asa fananganana ny “colisée” eny Anatirova fa manohana azy tsy misy fepetra ny amin’izany ireo depiote IRD ireo. Amin’ny lafiny iray hafa dia mahalasa eritreritra ny sain’ny mpanara-baovao politika Malagasy ihany koa hoe : “ fa satria ve lasa mpikabary malaza ny mpitondra tenin’ny Vondrona parlemantera TIM ankehitriny dia mba novaina ho mpikabary kinga amin’ny fanasohasoana ny filoham-pirenena ihany koa ny an’ity Vondrona parlemantera IRD ity ? Enga anie ka mba ho diso izany eritreritra izany .Tsy mbola nisy aloha ny fanambarana ofisialy ny amin’ny hoe iza indray no mpitondra teny vaovaon’ny vondrona parlemantera IRD.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.