Politique

Vondrona parlemantera GPR Mitaky fampidinana ny vidin-tsolika


  • Talata 19 Mey 2020

Midina efa ho roa volana ny vidin-tsolika maneran-tany kenefa ny eto tsy midina, ka takianay amin’ny fanjakana no hijerena faran’izay malaky momba izay, hoy ireo

 

 

vondrona parlemantera GPR na Solombavambahoaka mahaleotena eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Iaraha-mahita fa midina amin’ny antsasaky ny vidiny tena izy teo aloha ny iraisam-pirenena, hoy izy ireo. Andrasana araka izany raha mba hijery izany ny fanjakana na tsia. Raha tsiahivina rahateo, dia herintaona lasa satria ny volana jona 2019 no nampidinina 100Ar teo ny vidin-tsolika, izay tena nanaovana serasera be. Ankoatra izay moa, dia mangataka fisaraham-pahefana feno misy eo amin’ny fahefana mpanatanteraka, mpanao lalàna, fahefana ara-pitsarana ireo vondrona depiote ireo. Ny fifampitsabahana amin’ireny no matetika miteraka olana amin’ny fanatanterahana ny asa, ary indraindray hararaotin’ny mpanao politika, ka ny solontenam-panjakana na teknisianina ataon’ny sasany fitaovana, hoy ny GPR.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT