Politique

Vondrona Panorama “Tsisy fifidianana azo alefa eto raha tsy…”


  • Alatsinainy 15 Novambra 2021

Tanteraka tetsy amin’ny Hotely Carlton ny sabotsy 13 novambra teo ny famelabelarana narahina adihevitra notarihin’ny Vondrona Panorama, notarihin-dry Roland Ratsiraka, Rachidy Mohammed, izay nosalorana ny anarana :

 « Madagascar en marche arrière, comment sortir de ce gouffre » na Madagasikara mihemotra, ahoana no hivoahana amin’izany. Nambara fa nantsoina daholo ny olona rehetra, ny Filoham-pirenena am-perin’asa, Filoham-pirenena teo aloha, ny Filohana andrim-panjakana, solombavambahoaka, loholona, antoko politika rehetra, nisy solontenan’ny sehatra iraisam-pirenena,… Tsy nipoitra ny mpitondra tamin’ny ankampobeny. Teo ny Vondrona Eoropeanina ary ny sasany nandeha hafatra sao manahirana amin’ny fifandraisana amin’ny Filoha ankehitriny, ka tsy tonga, hoy i Roland Ratsiraka izay naneho fa nihaona sy niresaka tamin’izy ireo ny mpiara-miombon’antoka vahiny, ary handefa hafatra mandritra ny “dialogue politique” na fifampiresahana ara-politika izay hataon’ny mpitondra Malagasy sy ny Vondrona Eoropeanina amin’ity volana ity. Manitrikitrika kosa ny Vondrona Panorama, fa tsy tokony hisy fifidianana eto, raha tsy efa vita ny kara-pifidianana biometrika. Olona ny CENI amin’izao fotoana io satria vao mainka mitongilana noho ny taloha, tsy misy solontenan’ny “administrateur civil”, tsisy solontenan’ny “magistrat” fa olony ihany no apetrany ao anaty CENI. Noho izany, nilaza i Roland Ratsiraka fa tena ratsy ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao satria mety hisy rotaka, mety hipoaka ny krizin’ny 2023, midina an-dalambe ny olona, mandoro zavatra rehetra,… ka aoka izay,… Lainga ary tsy afaka miteny ny Fitondrana fa mandroso, fa tena mihemotra manao “marche arrière”, mihemotra ihany koa hatramin’ny toe-tsaina. Ao amin’ny antenimieram-pirenena izao, dia nofidiana ny “fonds souverains”, kanefa tsy misy firenena eto amin’izao tontolo izao mampiasa an’izy kanefa firenena mahantra. Depiote 21 tamin’ny 151 no nandany izany. Ny firenena misy ambim-bava ara-toekarena sy ara-bola na “excédent bubdgétaire” no manao izany. Misy vola maloto andeha hatsofoka ao sy hodiovina ao, tena loza mitatao eto amin’ny tany sy ny firenena. Tsisy soatoavina ary tena mihemotra ara-toetsaina na tsisy “valeur moral” intsony fa ny handeha hangoron-karena, handeha hanao ampihimamba,… potika ny firenena, mila mijoro isika mianankavy, hoy ny Vondrona Panorama.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT