Politique

Vondrona Panorama “Aza mifampisambotsambotra …”


  • Alakamisy 18 Febroary 2021

Nipoitra ary nanao fanambarana ny Vondrona Panorama rehefa elaela tsy niteny, na dia naneho

 

 aza fa miara-dia amin’ny Miara-manonja sy ny fanoherana. Nohitsian’izy ireo omaly fa misy ny fanitsakitsahana ankitsirano ny Zo Fototra maha-olombelona, voafaritry ny Lalàmpanorenana, izay ataon’ny Fitondram-panjakana; Fandikana sy tsy fanajana ny zon’ny Antoko Mpanohitra haneho hevitra; Fanakanana amin’ny fomba rehetra mamohehitra ny fikasana ataon’ireo solombavambahoaka hanao tatitra eny amin’ny Kianjan’ny Demokrasia Ambohijatovo; Fanaovana antsojay amin’ny alalan’ny fampisamborana ireo olom-pirenena sahy mijoro, mamaky bantsilana ny tsy mety eto amin’ny tany sy ny firenena; Fanehoana amin’ny endrika hita maso ny tsy fahazakana demokrasia amin’ny alalan’ny fandrahonana mivantana na ankolaka izay rehetra sahy mivoy izany. Nosinganin’ny Vondrona Panorama manokana ny endrika fanaparam-pahefana amin’ny mpitarika antoko politika, mpitondra tenin’io Vondrona io sady mpanentana ao amin’ny “Miara-manonja”. Noho izany, nanantitrantitra ny Vondrona Panorama fa manohitra marindrano ny jadona ampiharin’ny Fitondrana. Vakianay bantsilana hatrany ny Fanjakana ratsy tantana voaporofo amin’ny tsy fisian’ny mangarahara, ary itolomanay sy dradradradrainay ho ren-tany sy ren-danitra ombieny ombieny ny tsy fisian’ny demokrasia eto Madagasikara, hoy ny fanambarana. Nilaza izy ireo fa tsy ekena mihitsy ny fanakorontanana amin’ny fomba feno haratsiana ataon’ny fitondrana, toy ny fikasana hisambotra ireo mpikambana ao aminy. Nilaza ho manohana 100% ny fikasan’ny solombavambahoaka avy amin’ny antoko mpanohitra hanao tatitra eto Antananarivo ary haneho ny firaisankinany amin’ireo mpikambana ao aminy iharan’ny tsindrihazolena ny Vondrona Panorama. Nilaza fa vonona hatramin’ny farany hiaro ny zon’ny Malagasy tsirairay, ka nanentana ny rehetra ho sahy, hijoro ary tsy hanaiky lembenana hampiseho firaisankiana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT