Politique

Vondrona Eoropeanina Tokony apetraka mazava ny laharampahamehan’ny fanjakana


  • Alatsinainy 17 Aogositra 2020

Tontosa ny zoma 14 aogositra lasa teo ny fanatrehana ” ny fikaonan-doha politika andiany faha-8 eo amin` i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina teny amin` ny lapam-panjakana etsy Ambohitsorohatra.

 


Natrehan` ny masoivohon` ny Vondrona Eoropeanina (VE), Alemaina, Frantsa sy ireo delegasionina niaraka tamin` izy ireo izay fivoriana izany ka nandray anjara tamin` ny alalan` ny visioconférence” kosa ireo masoivoho tsy afaka nanatrika. Noresahina nandritra ny fivoriana ny tetikasa maro tohanan’ny VE ary nasehoan ny fanjakana ny faniriana hanafaingana ireo asa indrindra ireo asa mahakasika mivantana ny fiainan` ny mponina toy ny tetikasa Water Free hanatsarana ny famatsiana rano eto an-drenivohitra. Marihana fa tafiakatra hatramin` ny 230 tapitrisa euros mikasika ny fampiasam-bola amin` ireo tetikasa.
Milaza ho vonona hanohana hatrany ny VE amin` ireo tetikasam-pampandrosoana samihafa. Teboka maro kosa no nitsindrian` ny Masoivohon`ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara, Giovanni Di Girolamo, teo amin` ny lafiny politika. “Tianay tsindriana ny momba ny fikarakarana fifidianana. Nisy ny fanaraha-maso nataonay nandritra ny fifidianana 2018 ary nisy soso-kevitra fanatsarana narosonay. Tianay hanjaka ny demokrasia. Tsindrinay ihany koa ny tokony ho fanatsarana ny lafiny fandriampahalemana izay tena zava-dehibe rehefa fotoanan` ny krizy. Fanontaniana mipetraka ihany koa ny fampidirana diplaomaty sy mpiasan` ny vondrona iraisam-pirenena amin` ny vonjy aina izay mihitsoka any ivelany noho ny tsy fisian` ny sidina avy aty Madagasikara mankany Eoropa. Manampy betsaka amin` ny fiaraha-miasan` ny roa tonta ny fampodiana azy ireo eto Madagasikara. Hamafisiko fa ao anatin` ny fanajana ny fiandranam-pirenena ny firenena Malagasy no hanaovana izany fangatahana izany.” Ho an` ny vondrona eoropeanina, zava-dehibe ny hahafantatra ny fomba fijery sy laharampahamena ara-politikan` i Madagasikara mikasika indrindra ny fiarahamiasa amin` i Afrika. Amin` ny volana oktobra, any Bruxelles, no hanatanterahina ny dinika an-tampony eo amin` ny vondrona afrikanina sy ny vondrona eoropeanina ka manana anjara lehibe amin` izany i Madagasikara. Nanambara hatrany ny VE fa mandritra ny fivorian` ny Vondrona Afrikanina ny volana septambra izao dia tokony ho fantatra io fomba fijery sy laharampahamehana ara-politikan` i Madagasikara io.



60 taona ny fiaraha-miasa eo amin` ny VE sy Madagasikara ka maro ireo tetikasa no dinihana sy nandritra ity fivoriana ity toy ny eo amin`ny sehatra fitantanana raharaham-panjakana, ny fampndrosoa ara-toekarena, ny tontolo ambanivohitra amin` ny fananganana fotodrafitrasa izay ahitam-voka-tsoa mipaka mivantana amin` ny fiainana andavandron` ny mponina. Ohatra ny fanohanan` ny Vondrona Eoropeanina ny fifidianana solombavambahoaka ny taona 2019, ny fanamboarana ny RN5 mampitohy an` Maroantsetra sy Mananara, ny fanamboarana ny RN6 Ambanja-Antsiranana ary ny RN13 Taolagnaro-Ambovombe izay hanomboka amin` ity taona ity ny tolo-bidy amin` ny asa.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT