Nisy fifampidinihana teo amin’ny fanjakana Malagasy sy ny vondrona eoropeanina namarana iny herinandro teo iny.
Raha ny fantatra dia nilaza ny faniriany ny amin’ny tokony hanavaozana ny rafi-pifidianana eto amin’ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikara ity vondrona iraisam-pirenena ity. Mila fanavaozana azo tsapain-tanana, hoy hatrany ny vondrona eoropeanina, ny fomba fifidianana eto. Efa nisy moa ny toromarika nomena momba izany, raha ny fanazavan’ny masoivoho eoropeanina, Giovanni Di Girolamo, hatrany. Ilaina io fanavaozana io, hoy ity ambasadaoro ity, mba hametrahana ny tena demokrasia eto Madagasikara.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.