Politique

Vondron'ny kandida Voafitaka ny Malagasy sy ny iraisam-pirenena


  • Alatsinainy 09 Martsa 2020

Nampahafantatra amin'ny vondrona iraisam-pirenena amin'ny toe-java-misy taorian'ny fanambarana nataon'ny CENI ireo vondron'ny kandidà nilatsaka hofidiana tamin'ny fifidianana filoham-pirenena taona 2018.

 

Raha ny fanambarana nataon'izy ireo tetsy Faravohitra  ny sabotsy lasa teo, nahitana an’i Marc Ravalomanana, Arlette Ramaroson, Solo Norbert Andriamorasata, ny avy amin’ny kandida Tabera Randriamanantsoa, Hery Rajaonarimampianina … dia voafidy tao anaty halatra ireo rehetra voafidy tao anatin'ireny fifidianana ireny. Tena nisy, hoy izy ireo, ny anarana niverina tao anaty lisi-pifidianana ka noho izany, miantso ireo olom-boafidy mba handray ny andraikiny manoloana izany izy ireo. "Ianareo mpitondra dia manana andraikitra lehibe hametraka ny fahefanareo amin'ny " légitimité " tsy azo lavina. Fa raha miziriziry amin'ny fisavorovoroana misy izao ianareo dia miteraka krizy vaovao eto amin'ny firenena izany ", hoy i Marc Ravalomanana raha nitondra tenin'ireto vondron'ny kandidà ireto. Miantefa amin’izay lany rehetra io na ny avy amin’ny TIM aza. Miantso ny vondrona iraisam-pirenena ihany koa izy ireo mba hijery ny toe-draharaha satria voafitaka tanteraka kanefa dia ny iraisam-pirenena no namatsy vola ny ampahany betsaka tamin'ny fanatanterahana ny fifidianana mba hiantohana ny fangaraharana sy ny tsy fitongilanana mba haneken'ny rehetra ny voka-pifidianana satria manaja ny hasin'ny tena safidim-bahoaka marina hisian'ny fandriampahalemana. Mampahafantatra ny ataon'ireto vondron'ireto kandidà ireto manoloana ny zava-misy ary anjaran'ny fahefana mahefa sy ireo mpitondra no tokony handray ny fanapahan-kevitra rehetra momba izany. Mahakasika ny filoha lefitry ny CENI, Thierry Rakotonarivo, dia  nilaza ny vondron'ireo kandidà fa fahasahiana lehibe no nasehony. Zavatra nisy no nolazainy, hoy izy ireo, ary na amin'ny fomba ahoana na ahoana dia zavatra tena marina iny. Re moa fa efa nametraka ny taratasy fialany ao amin’ny CENI I Thierry Rakotonarivo. Raha atao kajy tsotra dia 5 000 000 ny 50%-n'ny mpifidy no nahitana 1 273 141 anarana niverimberina na "doublons" izay, izany hoe ny 25% tamin’ny latsa-bato no voakasika. Ny CENI tokony hiaro ny hasin'ny fifidianana sy ny fanapahan-kevitra rehetra momba ny fifidianana indray no nandrava sy nanapotika ny hasina sy ny fahamarinana io fanapahan-kevitra io. Tahaka izany ihany koa ny HCC. Tsy ny tena zava-misy no noraisin'io rafi-panjakana io raha mandray fanapahan-kevitra izy.

 

 Légende :

 

 Marigny A. sy Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT