Politique

Vondrom-pikambanana maromaro «Atsaharo ny fanapenam-bava ireo mpanolontsain’ny tanàna»


  • Talata 28 Jona 2022

Vondrom-pikambanana maromaro omaly no nanao fanambarana iraisana naneho ny fanohanany sy firaisan-kinany amin’ireo olom-boafidy eo anivon’ny kaominina Antananarivo izay tratry ny fitoriana ka hiakatra fitsarana anio 28 jona.

Sokajian’izy ireo ho antsojay noho ny fijoroany hiaro ny fahamarinana no mahazo an-dry Clémence Raharinirina sy ry Lily Rafaralahy ary ireo namany. «Koa manoloana indrindra ny antsojay, fanapenam-bava sy ramatahora iniana atao amin’ireo mpanolontsain’ny tanàna voafidy eto amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra amin’ny alalan’ny fitoriana sesilany atao azy ireo izay hita fa tsy rariny, ary tsy fahita tato anatin’ny 60 taona, dia manameloka izany fanaovana politika maloto izany, ary mahatoky ny eo anivon’ny Fitsarana fa tsy hanome vahana na oviana na oviana izany fomba mamohehitra izany », hoy ny fanambarana novakian-dRtoa Raharisoa Malalatiana. « Manamafy izahay fa tany tan-dalàna sy demokratika i Madagasikara ka raha mbola misy foana ny olom-boafidy manao ny asany araka ny tokony ho izy sy araka ny andrasan’ny vahoaka aminy kanefa enjehina sy katsahina hopotehina dia tsy maintsy mijoro foana izahay Fikambanana», hoy hatrany izy ireo, izay naneho fa mahatratra 51 ireo fikambanana ao anatin’ity Vondrom-pikambanana ity. Nanentana ny olom-pirenena ho avy hanotrona eny amin’ny fitsarana moa izy ireo ho an’ny anio.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT