Politique

Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana Tsy atokisan` ny fanjakana ve ?


  • Talata 06 Oktobra 2020

Maro ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana (CTD) indrindra ireo kaominina mitaraina fa tsy voarain` izy ireo ny anjara tamberimbidiny indrindra ny avy any amin`ny orinasa vaventy mitrandraka harena ao aminy.

Ho an`ny sehatry ny harena an-kibon`ny tany ohatra, dia manodidina ny 2%n` ny sarany na haba alaina amin`ny vidiny ivarotana azy. Mitsinjara roa io 2% mihoatra amin`ny vidiny ny haba io ka sokajina haba (redevances minières) ny 0,6% ary tamberim-bidy ny 1,4%. Tsinjarain` ny tahirim-bolam-panjakana isaky ny rafitra tokony hahazo azy amin` izay ireny haba ireny avy eo. Mankany amin`ny fanjakana ny haba ho an` ny harena an-kibon` ny tany (redevances minières) ary an` ny CTD ny tamberimbidy amin`ny harena an-kibon` ny tany. Lasan` ny fanjakana ny 65%n` ny haba avy amin` ny harena an-kibon` ny tany ary lasan` ny kaominina ny 90%n` ny tamberimbidy. Matoa anefa mitaraina ireo CTD fa tsy misy fampandrosoana eo amin` ny faritra misy azy dia noho ny tsy fahatokisana azy ireo. Misy mihitsy amina miliara ny vola tokony hiditra ho an` ireo vondrom-bahoakam-paritra saingy toa fehezin` ny fanjakana ny volabe. Marihana hatrany fa mamaritra ny fepetra ao amin`ny rafitra iraisam-pirenena hisian`ny mangaraharaha ny harena an-kibon` ny tany vaventy (EITI) fa tsy maintsy fantatra mazava avokoa ny hetra na haba naloan`ny orinasa mitrandraka sy ny nampiasana azy ireny. Raha manahy ny fanjakana fa tsy manana traikefa amin`ny fitantanana volabe ireo kaominina indrindra ny any ambanivohitra dia tokony miroso amin` ny fampiofanana azy ireny izy fa tsy tokony hivangongo amin` ny fitondrana foibe intsony ny fitantanana ny vola.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT