Hanangana Komity mpanao fanadihadiana na “commission d’enquête” izay fanao
any amin’ny firenena maro ny antenimierandoholona, araka ny tolo-dalàna nataon’ny kaomisionina momba ny lalàna. Fanao any amin’ny firenena maro io. Isan’izany ny mahakasinka ny fitantanana ny Volan’ny covid-19, izay tsy miteny hoe nisy nangalatra mila fanazavana, hoy Atoa Rivo Rakotovao. Toy izany ihany koa ny raharaha “doublon” tamin’ny fifidianana, izay tsisy miteny hoe nangalatra ianareo fa ahoana kay ilay izy? Tsisy miteny hoe nanao fampidirana antsokosoko fitaovam-piadiana ianareo, fa niaraha-nahita fampidirana antsokosoko fitaovam-piadiana ka mba anontaniana izany. Izay ve izany no nampigadra ny Tale Jeneralin’ny Ladoany? Ary toa maninona no izy irery no naiditra am-ponja vonjimaika? Ilàna “commission d’enquête” ireny, fa tsy tokony ho vitavitra ho azy, raha ny ambaran’ny etsy Anosikely. Efa karazana bala hifampitifiran’ity andrim-panjakana ity sy ny fahefana mpanatanteraka izay nanao fahirano azy io. Miakatra hatrany ny maripana, ka asa izay hiafaran’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2021 izay tsy maintsy hampandalovina etsy Anosikely ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.