Politique

Vola hanampian’ny IDA ho an’i Afrika Nangataka i Rajoelina mba ho 100 miliara dolara


  • Zoma 16 Jolay 2021

Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy omaly maraina tao Abidjan, renivohitr'i Côte d'Ivoire, ny fihaonamben'ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana aty Afrika mikasika ny fametrahana ny famatsiam-bola ao anatin'ny IDA20.

Nandray anjara tamin'ity fihaonambe ity ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izay mitarika ny delegasiona Malagasy manatrika izany. Nihaona tamin'ny Filoha ivoariana Alassane Ouattara sy ny solotenan'ny Banky Iraisam-pirenena ireo mpitarika maro eto Afrika ho fananganana ny IDA20. Ny tanjon'ity fihaonana ity moa dia ny fifampizarana traikefa eo amin'ny mpitondra firenena Afrikanina mikasika ny fampiroboroboana ny toekarena, ny fampandrosoana miaraka ary ny fiarenan-dohan'i Afrika aorian'ny valanaretina Covid-19. Maherin’ny 800 tapitrisa ny olona zara raha misakafo maneran-tany. Mahatratra 25 hatramin’ny 35 tapitrisa mantsy ny fitomboan’ny tsy an’asa aty Afrika. 40 tapitrisa ny olona tena fadiranovana. « Ny tanjona dia ny fanarenana ara-toe-karena aty Afrika aorian'ny valan'aretina, amin'ny alalan'ny famoronana asa sy fametrahana fampandrosoana maharitra sy sitrahan'ny rehetra. I Madagasikara dia niady mba ho tafakatra farafahakeliny 100 lavitrisa dolara ny vola fanampiana anatin’ny IDA izay novinaniana ho 92 lavitrisa dolara », hoy ny tatitra nataon’ny Filoha Andry Rajoelina.
MILA FAHAIZA-MITANTANA SY MANGARAHARAHA
Novoizin’ireo pejim-baovao mpanohana fitondrana kosa fa 1 miliara sy 100 tapitrisa dolara no azon’i Madagasikara. Nambara fa avo telo heny amin’ny fanampiana azo isan-taona ny azontsika, ary sambany teo amin’ny tantara no nahazo famatsiam-bola be tahaka izany. Fanabeazana, Fiahiana ara-tsosialy toy ny Fiavota any Atsimo, agrobisuness, Fahasalamana, fizahantany,… no nahazoana sy hampiasana ny famatsiam-bola. Raha tsiahivina kosa ny tantara, dia 1-2 desambra 2016 no nambara tamin’ny fomba ofisialy tany Frantsa taorian’ny dinika niarahana tamin’ny mpamatsy vola ny tohana hatrany amin’ny 10,6 miliara ho an’I Madagasikara. Mety tsy azo 100% io noho ny antony maro toy ny mety ho tsy fisian’ny fitantanana madio, tsy fitoniana politika,… saingy avo folo heny amin’ity lazaina fa sambany teo amin’ny tantara ity. Tsy tonga lafatra ny Fanjakana tamin’izany, saingy mba nisy ihany ny zavatra niangana lovaina mandrak’anketriny, toy ny Vatsin’Ankohonana izay io lasa Fiavota io, ny fotodrafitrasa samihafa,… Dinika manokana teo amin’I Madagasikara sy mpamatsy vola izany, raha toa ka iarahana amina firenena maro kosa ny IDA satria 74 ny firenena mpikambana amin’io, ary aty Afrika ny ankamaroany. Voatonona ny sora-bola, fa mbola fepetra maro no takiana amin’ny fivoahan’izany, toy ny fahaiza-mitantana, fangaraharahana, fitoniana politika,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT