Ho an’ny Dr Joseph Randriamiandrisoa dia tsy tokony hisy fiatoana na fialan-tsasatra kely izany amin’ny politika fa tokony hikaroka vahaolana andro aman’alina mba hivoahana amin’ity krizy ity ny rehetra.
Efa mijaly ny vahoaka, hoy ity minisitry ny tontolo iainana voailika ity, ary hita isan’andro tokoa fa miha sahirana ny olona. Ny tena mahagaga anefa, ary efa notaterina teto ihany izy io, dia toa manaiky ihany ny zava-misy ilay Malagasy, mimenomenona fotsiny fa miharitra ny mafaitra eo ihany. Misy moa no sahy milaza mihitsy fa tsy olana aminy na 20 taona aza ny tetezamita, fa rehefa mihinana sy mitafy aloha izy dia izay no izy, aminy. Ny any amin’ny faritra sasany koa dia milaza fa olan’Antananarivo no misy amin’izao fotoana fa tsy olan’i Madagasikara. Raha ny fitadidiana dia anisan’ny mafy sy naharitra indrindra ity krizy ity. Korontana sy savorovoro izany nitranga izany, mifanesisesy mihitsy ny miditra am-ponja, maro no maty, nisy ny nitondra takaitra. Tao koa ireo diso fanantenana sy voafitaka fa natao tohatra fiakarana fotsiny. Fitokonana etsy, fitakiana eroa, mitarain-dava noho ny fifaninanana tsy ara-drariny ireo mpandraharaha Malagasy.
Montsana ny zava-bita ratsy indrindra tamin’ny fahataran’ny fidirana eny amin’ny oniversite sy ny fahataran’ny fandoavana ny vatsim-pianarana. Manatri-maso ny fandripahana ny hazo sarobidy, anaty faritra voaaro ireo mponina any amin’ny faritra avaratra atsinanan’ny Nosy fa dia mitazam-potsiny izany famotehana ny harena voajanahary misy eto izany, ary matetika aza dia mikarama amin’ireo mpambotry firenena ireo, indray. Tena misy ny manampahefana efa mahafantatra ny anaran’ireo mpanao trafikana boaderozy fa tsy hay hoe miandry inona vao hamoaka ny anarana sy hanafaingana ny fanadihadiana rehetra. Moa va tsy efa firaisana tsikombakomba ihany ny fahanginana manoloana ny fandripahana ny harem-pirenena, indrindra fa ho an’ireo izay mahalala ny tena marina ? Tamin’ny fitondrana teo aloha dia mba natahotra nandoro ala sy tanety ihany ny olona, fa izao angamba dia zara aza nirodana ilay fitondrana fa dia manaram-po mandoro tanety izay rehetra te handoro, na kamo hiasa tany.
Manoloana izany dia efa mba maromaro ihany ireo olona nijoro nanakiana ny tsy fetezana rehetra nisy tato anatin’izao tetezamita izao, ary nandroso vahaolana isan-karazany mba hivoahana amin’ny krizy, kanefa toa tsy nisy mpanaraka sy mpanohana izy ireo ka reraka am-pandehanana ihany. Dia tena tsy hay mihitsy hoe : fa tratran’ny valan’aretina inona ary Ramalagasy ! Niantso fandraisana andraikitry ny tsirairay ry profesora Raymond Ranjeva anisan’ny olobe sy manampahaizana eto amintsika, nilelalela nilaza ny tsy rariny ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, tabataba izany nataon’ny sendika sy ONG isan-karazany izany, efa fandrobana manara-penitra sy haingam-pandeha no ataon’ny sasany amin’ny harem-pirenena, fa dia manaiky ihany ny rehetra, sa ve sanatria efa tena tahaka tratran’ny zava-mahadomelina mihitsy Ramalagasy e ? Ny avara-pianarana aza moa toa mangina !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.