Akon` ny fifidiananana sy fikirakirana ny voka-pifidianana no tena nibahana nandritra ny fanambarana ny voka-pifidianana vonjimaika avy amin` ny CENI ny sabotsy lasa teo.
Tsikaritra fa maro ireo lesoka tamin` ny fifidianana solombavambahoaka ary maro ireo tsy fahatomombonana, misy ny tranga izay efa azo sokajiana mihitsy fa nisiana halabato.
Tranga maro be
Nahitana izany tranga izany tany Toliara II, Soalala ary Marovoay. Ankoatra ireo, betsaka ireo kandidà nangataka fampitahana an-tsoratra saingy 11 ihany no nahafeno ny fepetra tamin` ireo kandidà 17. Tsy nandefa ny taratasy fanitsiana nangatahina izay tokony nateriny ireo kandidà izay nagataka fampitahana ireo sady tsy feno ihany koa ny porofo. 487 ireo fangatahana fampitahana an-tsoratra neken` ny CENI ary notanisainy nandritra ny famoahana ny vokatra. Voamarina ny antony fangatahana an-tsoratra avy ireo faritra ireo ka nomen` ny CENI alalana hanatanteraka amin` izany. Raha ny tatitra, birao fandatsaham-bato iray tany Tsihombe niaiky ny hadisoany tamin` ny famenoana vata fandatsaham-bato satria tsy nitovy ny isan` ny mpifidy sy vato tao anatin` ny fandatsaham-bato. Tao Ambositra, nisy ny fahifahiana tamin` ny hosoka. Ankoatr` izay, birao pifidianana tao Ambilobe sy tany Ifanadiana no tsy nahatonga ny fitanana an-tsoratra tamin` ny fifidianana solombavambahoaka vokatry ny tsy fandriampahalemana. Biraom-pifidianana telo ihany koa no tsy nisy raharaham-pifidianana noho izay antony izay voafaritra mazava ao anatin` ny fitananana an-tsoratra nalefan` izy ireo tany amin` ny rantsamangaikany vaomieram-pifidianana : distrika Mampikony, Ambovombe Androy ary Maintirano. Niteraka fahasimbam-bokatra ihany koa ny fahamaizan` ny birao fandatsahambato miisa 60 tao Toliara ny 30 mey lasa teo. Foana ny fitananana an-tsoratra nataon` izy ireo ary tsy tonga teny amin` ny CENI. Tsy manana fahefana hanarenana ireny ny CENI fa mametraka ny fahefana amin` ny fitsarana mahefa. Manana 48 ora ireo kandidà hametraka fitoriana mahakasika ny vokatra tsy feno eny amin`ny HCC. Anjaran` ny CENI sy ny HCC no mitrandraka ny fitananan an-tsoratra sy voka-pifidianana araka ny nambaran` ny CENI. Niaiky izany ny CENI fa tena nisy ny hala-bato tamin’ny fifidianana solombavam-bahoaka farany teo. Ny tena mahagaga anefa dia tsy mba nisy ny fepetra noraisina mba hisorohana izany fa dia nihanjahanja tanteraka tany amin’ny biraom-pifidianana sasany. Tsy ampy ary tsy ampiharina akory ny sazy ho an’ireo izay tratra nanao hala-bato ka mahatonga izany mbola misy hatramin’izao
|
Toy izao fitsinjarana ny toerana eny amin` ny Antenimieram-pirenena arak’ity vokatra vonjimaika avy amin` ny CENI ity: IRD manana seza 84, TIM nahazo toerana 16, 46 kosa ho an` ny tsy miankina ary 5 ho an` ny antoko hafa. |
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.