Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny
Ambatomirahavavy sy ny manodidina iny no nisafidy ny hivarotra ny vokatr’izy ireo manamorona iny lalam-pirenena voalohany iny ihany. Lasa maro mpivarotra amoron-dalana, noho izany, eny an-toerana vokatry ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana hiarovana amin’ny mety ho fianaky ny areti-mandripaka, Coronavirus. Amin’ny ankapobeny, na izany aza, dia tsy mbola tsikaritra loatra aloha ny fanararaotan’ireto tantsaha ireto eo amin’ny lafiny vidin’entana. Mbola mirary izany, hoy ireo mpanjifa, ary ahitana ny vokatra rehetra. Ilaina hatrany anefa ny mampahatsiahy fa ny tena fihetsika azo antoka indrindra hiarovana amin’ity areti-mandoza ity dia ny fihibohana an-trano sy ny fanarahana ny toromarik’ireo tomponandraikitra sy mpitsabo hatrany toy ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony matetika sy ny fihinanana sakafo mitondra hery fiarovana toy ny legioma sy voankazo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.