Politique

Vokam-pifidianana Azo avoaka ao anatin’ny 7 andro


  • Zoma 31 Mey 2019

Maro amintsika no mitaintaina mijery ny valim-pifidianana avoakan’ny CENI. Tahaka ny miovaova be izany ny zava-misy ary tena ela ny fotoana hikarakaran-dry zareo ny vokatra. Tsy sanatria hoe faly hanome tsiny fa mba soson-kevitra kosa no entina etoana.

 

 

 

 

Telo  andro

 

Raha mijery ireo firenena hafa isika, dia fantatra fa telo na efatra andro dia mivoaka ny vokatra any amin’ireo firenena lehibe. Raha ny aty afrika ihany koa nefa dia efa manakaiky an’ireny hita any Eoropa sy Amerika ireny ny faharetany satria ny any Nizeria, Ouganda, Tonizia, Togo izao dia telo andro no faharetan’ny fikirakirana. Nahoana moa ny eto amintsika no efa ho roa herinandro? Tokony ho zaraina eny anivon’ireo faritra 22 ny fikirakirana ny vokam-pifidianana raha tena mitady mangarahara sy hafainganana isika. Izany dia hahafahan’ny mpanisa vato manakaiky ireo kandida, fa tsy hoe voatery hiakatra aty Antananarivo ireo kandida avy any Amboasary atsimo vao afaka hanara maso ny fanisam-bato.

 

Vitan’ny teknolojia misy eto tsara

 

Ho haingana lavitra ihany koa dia vita ny asa satria lasa mizara 22 izany ny asa natao teto Antananarivo. Vetivety ihany koa dia voakirakira ny PV satria tsy alefa miakatra aty intsony fa vao tonga eo amin’ny faritra dia efa manomboka ny asa. Tsy misy antony tsy hahavitantsika an’izany satria manana teknisianina maro ny Malagasy ary manana ny fifandraisana teknolojika haingam-pandeha tahaka ny “fibre optique”. Dia sanatria ve fanahy iniana atao no antony tsy androsoantsika mankany? Rehefa ela mantsy ny fahatongavan’ny vokatra dia miahiahy ny ambany lanitra. Raha nahatsiaro tokoa  isika tamin’ny fihodinana faharoa tamin’ny 2018 dia nahatsikaritra fa tahaka ny efa nomanina ny vokatra. Nahavariana fa tsy nitsimbadika mihitsy ny laharan’ny kandida roa lahy na dia hoe nitarika aza ny K25 tamin’ny faritra maro teto Madagasikara! Ny iriana dia mba ho raisin’ireo tompon’andraikitra ho soson-kevitra izao lahatsoratra izao satria ry zareo no anisan’ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny fahakivian’ireo mpifidy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT