“Afaka roa herinandro ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika amin`ny fifidianana solombavambahoaka”, hoy ny CENI.
Feno ny sabotsy lasa teo ireo fitanana an-tsoratra nalaina sary avy amin`ny SRMV manerana ny nosy. Raha ny voalazan`ny lalàna, tsy maintsy tonga eto Antananarivo omaly ireo antontan-kevitra rehetra avy amin`ireo SRMV. Ireo faritra izay tsy mahatonga izany any amin`ny SRMV kosa dia heverina ho toy ny tsy nisy ny fifidianana tany amin`ireny toerana ireny, hoy i Thierry Rakotonarivo, filoha lefitry ny CENI. Nohamafisiny fa hanaovana ny atao hoe “PV de carence” na fitanana an-tsoratra fahitana fototra ny tsy fanjarian`ny fifidianana tamin`ireny toerana ireny. Vinavinaina hivoaka ny 15 jona ho avy izao ny lisitra vonjimaikan`ireo solombavambahoaka. Tsy misy fiantraikany kosa amin`ny daty napetraka ireo fitarainana ataon`ireo kandidà sasany mahakasika ny fikirakirana vokatra. Nanipika kosa i Thierry Rakotonarivo fa fandikan-dalàna ny fitaomana olona hanao fitokonana na inona na inona antony.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.