Politique

Voka-pifidianana vonjimaika Hiloko volomboasary ny lapan’Anosikely


  • Alakamisy 24 Desambra 2020

Araka ny efa nanampoizana azy ny vokatra vonjimaikan’ny fifidianana loholona

 

 

natao ny 11 desambra lasa teo, izay navoaka omaly 23 desambra. Toerana 10 amin'ny 12 no ho lasan'ny IRD izay poa-droa tany Fianarantsoa, Toliara, Mahajanga, Antsiranana, ary iray avy eto Antananarivo sy Toamasina, raha tsy misy ny fanovana be hataon’ny HCC, izay sarotsarotra ny hino izany. 2 kosa ho an'ny MMM ka iray Toamasina ary iray eto Antananarivo. Manana 15 andro ny HCC handinihana ny vokatra vonjimaika navoakan'ny CENI. Mitarika avokoa ny IRD amin’ireo faritany 6 mazava ho azy. Ho an’ny eto Antananarivo dia 63,19% isam-batony, MMM 36,54%, ary ny tsy miankina FALY 0, 27%. Tany Antsiranana kosa 72,75% ny IRD, ary 25,94% tsy miankina Bematana, ary 1,31% ny tsy mianina Lemoine Soloniaina Hermann. Ho an’I Fianarantsoa kosa 91,23% ny IRD, 8,77% ny Fanorolahy - IAD. Tany Mahajanga izay lisitra tokana dia 100% ny IRD. Ho an’i Toamasina dia 52,72% ny IRD, MMM 46,42%, ary ny Mba ho iray 0,86%. Nahazo 75,14% ny IRD tany Toliara, ary 24,86% kosa ny tsy miankina Vahoaka Miara-Mandroso. 92% ny taham-pandraisana anjara, ka tany Mahajanga izay 84,15% no ambany indrindra, hoy ny CENI.

TARI-BATO VILAM-BAVA

Mazava fa hiloko volon-doranjy Anosikely satria mbola ny Filoha no hanendry ny 6 ambiny hameno azy ho 18. Ity fifidianana ity, izay nokianin’ny mpanao politika sasany ho mariky ny fivangongoam-pahefana ankoatra ny amboletra. Nolazaina fa mandany vola kanefa 24 miliara Ar ny tetibola ho ana loholona 63, fa izao 17 miliara ho ana 18 ao amin’ny LFI 2021. Tsy nekena ny soso-kevitry ny loholona ankehitriny hampihenana ny tetibolan’io andrim-panjakana io 7 miliara ariary ao anatin’ny tetibolam-panjakana. Iza izany no tena mpandany vola? Rehefa ny hafa no miteny dia vorondolo fa rehefa ny tena dia voromanga?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT