Ho fantatra anio talata 02 jolay amin`ny 4 ora tolakandro ireo depiote 151 hiakatra ny lapan`i Tsimbazaza hisolovava ny vahoaka mandritra ny dimy taona manaraka indray.
Hamoaka ny vokatra ofisialin’ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 27 mey lasa teo ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Araka ny voafaritry ny lalàna, hivory voalohany ireo solombavambahoaka vao voafidy ireo ny talata faharoa manaraka ny famoahana ny voka-pifidianana ofisialy, izany hoe ny 16 jolay ho avy izao. Ao anatin`ny lahadinika ny fananganana ny birao sy ny vaomiera ka raha vao vita dia mifarana avy hatrany ny fivoriana. Fitoriana miisa 684 no voarain’ity fitsarana ity satria maro ireo kandidà sy mpifidy no nahatsikaritra trangana hosoka sy hala-bato nandritra ny fifidianana toy ny tany Betroka, Ambovombe, Soalala, Toliara II … Fitsapana ho an`ny HCC raha azo antoka ity fifidianana solombavambahoaka ity. Efa nekena tsy nisy disadisa ny voka-pifidianana filoham-pirenena ary hita miharihary ihany koa fa nanao izay ezaka rehetra tratry ny heriny ny mpomba sy mpankasitraka ny filoha hahatonga ho maro an’isa azy ao amin’ny Antenimiera. Hohajaina ihany koa izay fanapahana havoakan`ny HCC. Ny mponina any amin`ny kaominina, isaky ny Distrika sy Faritra kosa anefa dia tokony hanao jery tamberina sy tsiahy amin`ireo izay fampanantenana rehetra nataon`ireo depiote ka ho hita miharihary ny mangarahara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.