Politique

Voka-pifidianana mampiahiahy Faritra maro no efa mikorontana…


  • Zoma 31 Mey 2019

Miisa 85 hatramin’ny 90 eo ny depiote azon’ny ekipan’ny mpitondra, ary mandresy lavitra satria 65 no noeritreretina. 20 kosa no an’ny mpifanandrina politika na mety ho latsak’izay, hoy Rajoelina tany Frantsa.

 

 

Tsy mivaky loha an’izay CENI sy HCC any satria ireo toa tsangan’olona sy mialokaloka amin’ny lalàna, araka ny mahamety azy ireo fotsiny. Ny CENI anefa efa nilaza fa voarara ny famoahana valim-pifidianana tsy miainga avy amin’izy ireo. Tamin'ny fifidianana filoha no efa nampiahiahy ny hala-bato. Nanaiky koa i Marc Ravalomanana, ka niantso ny olona hilamina dia nilamina ny rehetra. Amin’ity fifidianana depiote ity, izay fifidianana nanakaiky vahoaka, dia saropiaro ary masiaka kokoa ny olona. Ireny efa nidina an-dalambe ireny nitondra sorabaventy (Maroantsetra, Bekily, Mahajanga, Bealalana, Sakaraha...). Nisy, hoy izy ireo, ny fanodinkodinana ny safidim-bahoaka ka tsy azo ekena. Ny ao amin’ny kaominina sy distrika rahateo mifankafantatra ny ankamaroan’ny olona ary mora fantatra ny kandida mamim-bahoaka.Amin’ity anio ity izao dia efa hisy fikambanana kandida avy amina distrika iray any Fianarantsoa hanao ampamoaka ka hanambara ny tsy rariny momba ny voka-pifidianana tany amin’izy ireo. Hanahirana io ary saropady ny fanapahan-kevitra havoakan'ny HCC eo. Henjankenjana ny fanehoan-kevitry ny olona any anaty onjam-peo sy ny resaka eny anaty fiarahamonina eny hoe : tsy hisy hanaiky eo raha depiote tsy lanim-bahoaka no hiakatra eny Tsimbazaza. “Tsy dia mikasika ny vahoaka loatra ny fifidianana solombavambahoaka ka rariny raha tsy navitrika ny olona. Ny zava-dehibe fotsiny dia afaka namoaka ny maro an’isa ahafahana manatanteraka ny IEM ireo izay nandeha nifidy”, hoy i Andry  Rajoelina nanamaivana ny fahakivian’ny vahoaka, ny fahasosorana amin’ny hosoka, ny hala-bato,… Efa tena mihantsy ady tanteraka ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT