Politique

Voasoketa ho nanimba CEG manara-penitra Takian’ny vahoaka ny famoahana ireo mpampianatra 2


  • Zoma 24 Jona 2022

Nijoro sy naneho firaisankiana mitaky ny famoahana ireo mpampianatry ny CEG roalahy tao Ambidiampana Bealanana ny fokonolona.

Izy roalahy ireo izay voarohirohy ho nanao fanim-banjatra toy ny fitaratra amin’ny varavaran-kely iray ‚ ny fantson-drano ary ny kojakoja momba ny jiro tao amin’ny sekoly manara-penitra ao an-toerana ny 16 aprily 2022. Nohelohin’ny fitsarana ambaratonga voalohany higadra 10 taona an-tranomaizina izy ireo ny 26 aprily. Milaza ny fokonolona fa tondro molotra fotsiny no nandetehana azy ireo, ka nahatonga azy ireo nanao filaharam-be niaraka tamin’ny sora-baventy, ary tonga hatramin’ny tsipaipaika fandoavam-bola 5000Ar isan-tokantrano hanamboarana ny fahasimbana. « Fokonolona manarina ny simba rehetra ; Avoahy ireo mpampianatra vohendrikendrika amin’ny zavatra tsy mitombona ; Sokafy ny fanadihadiana lalina aty ifotony ; Any am-ponja mpampianatra ‚ Potika ny fampianarana », ireo no isan’ny sora-baventy hita nivandravandra nandritra ny hetsika fanairana ny tompon’andraikitra sy ny manam-pahefana ‚ nataony vahoaka ao Ambodiampana ny alarobia 22 Jona 2022. Naneho ny alahelony manoloana izany ny fokonolona tany an-toerana ka nanao tsipaipaika 5 000Ar isan-tokatrano ‚ hanarenana ny simba rehetra amin’ny sekoly ary mitaky ny hamoahana madiodio ireo mpampianatra izay voasazy. Nohamafisin’ireto vahoaka ao Ambodiampana ireto ‚ nandritra ny fanolorana lelavola 1 735 000Ar voaangon’izy ireo izay hanarenana ny simba rehetra mantsy fa tondro molotra sy endrikendrika ary fialonana no atony fisamborana ka tokony hanao fanadihadiana lalina ireo mpitandro filaminana sy ny tompon'andraikitra ao amin’ny fitsarana mialoha ny handray fanapahan-kevitra. Efa notendrena ho talen-tsekoly vojy maika ny iray tamin’ireo mpampianatra naiditra am-ponja ary nitsahatra tamin’ny asany izy rehefa voatendry ny Talen-tsekoly vaovao izay miainga avy any amin’ny lehiben'ny faripiadidim-pampianarana . Nandritra ny fitondran’io Tale vaovao io anefa ‚ voalaza ho nisy vola maromaro banga tao amin’ny kitapombolan’ny FRAM ‚ nalainy talen-tsekoly vaovao ampitaka kanefa tsy nisy tafaverina ary nilaza ny tsy hamerina izany mihitsy izy rehefa notakiany Ray aman-dReniny mpianatra izany. Nisy ny fitarainana nataon'ny FRAM ary anisan'ireo nanampy tamin'ny fitakiana vola izay voalaza ho lanin’ny talen-tsekoly ireto roalahy naiditra am-ponja ireto ka nanomboka teo ny disadisa‚ niafara tamin’izao fanendrikendrahana azy ho namotika sekoly,… Efa nijoro vavolombelona ny Chef ZAP any an-toerana ‚ Atoa Félix fa tsy marimpototra ary tsy nisy fanadihadiana na porofo mivaingana afahana mitazona ireo mpampianatra ireo ‚ ireo mpitandro filaminana rahateo efa niloa-bava momba izany nandritra ny famotorana natao tany Bealanana, hoy ny fanamarihana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT