Politique

Voambolana “masoandro” Tena mahasarika ny fitondrana


  • Talata 26 Mey 2020

Tanamasoandro, Kianjamasoandro, angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro sy ny hafa rehetra dia samy teny sy anarana nahenoana matetika ny voambolana hoe masoandro avokoa tao anatin’izao fitondrana izao.

 

 

Samy manana ny dikany arakaraky ny sivilizasionina misy eto ambonin’ny tany io masoandro io saingy amin’ny ankapobeny dia tandindon’ny aina na koa fahavelomana. Izany hoe toerana misy masoandro izany dia hitoeran’ny aina na izay fahavelomana izay ary matoa ny anarany ampombana io voambolana io dia iriana hitoeran’izany aina sy fahavelomana izany ihany koa. Ny mahagaga anefa hatreto dia na tsy mety vanona araka ny niheverana azy matetika izay tetikasa nasiana anarana masoandro izay na mandrava zavatra hafa satria tsy voatery izay hita maso ihany no rava fa na ny tsy hita maso toy ny kolontsaina sy ny tantara koa. Tsy mendrika ilay olona manao ireny foto-drafitrasa ireny ary ve ilay anaran’ny foto-drafitrasa atsangany sa anarana fehy anarana fotsiny fa tsy misy heviny lalina ara-kolontsaina ilay kasainy hatsangana?

 

J. Mirija

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT