Politique

Voahangy Rajaonarimampianina Tsy sahin’ny fanjakana henjehina


  • Talata 11 Jona 2019

Maro ireo olon’ny HVM nambara fa nanao afera maloto sy kolikoly. Ao ny nogadraina fa misy ireo milamina sy afa-bela.

 

 

 

 Anisan’ireny ny vadin’ny filoham-pirenena teo aloha Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina, izay tena maty henjika sy maty resaka mihitsy fony teo amin’ny fitondrana ny vadiny. Nalaza ho tena nijabaka tamin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy nampiteny ny anarany, toy ny amin’ny resaka fanendrena olona ambony, ny amin’ny fanadinana fandraisana mpiasam-panjakana isan-karazany sy ny zavatra maro hafa. Ny filoha teo aloha no voasokajy ho ny Fitsarana ambony na ny HCJ ihany no afaka manenjika amin’ny raharaha mahasaringotra azy fa ny vadiny dia azo henjehina tsara amin’ny fitsarana ady heloka madio na ady heloka bevava. Tsy fantatra mazava na eto Madagasikara na any ampita ity Ramatoa ity. Raha ny sary niparitaka efa volana vitsivitsy izay, dia toa nisy fotoana izy no tany Etazonia. Toa tsy re feo intsony ihany koa ny mahakasika ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier, izay namoahan’ny fanjakana didy tsy fahafahana mivoaka an’i Madagasikara ny herinandro teo. Toa tsy eto intsony raha ny fanadihadiana natao. Tsy afa-manoatra sy tsy misy afitsoka hatrany ny fanjakana rehefa misy mpanao politika heverina fa tompon’ny afera tafatsoaka any ivelany, ankoatra ireo mbola afaka mialokaloka ao ambany elatry ny HCJ. Fomba efa fanao teto hatramin’izay io, ka raha tsy miala amin’ny fitondrana ireo mpanao politika ananana olana tsy miverina eto Madagasikara sao migadra eo. Afa-maina amin’ny ankapobeny, vao tafaporitsaka eto.

Toky  R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT