Tany Vangaindrano no nanamarihana tamin’ny fomba ofisialy ny 8 martsa, andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ny sabotsy lasa teo.
Tonga tany an-toerana ny vadin’ny filoham-pirenena Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina nitarika ny hetsika. Ny ampahatelon’ny vehivavy maneran-tany no iharan’ny herisetra. Ho antsika eto Madagasikara dia ny faritra Vatovavy Fitovinany sy ny faritra Atsimo Atsinanana no manana antontan’isa betsaka indrindra amin’ny faharovitan’ny tatavian’ny vehivavy. Tsotra ny antony : dieny mbola kely dia efa mandeha manambady ny ankizivavy sy ny tovovavy. Araka izany dia manentana ny ankizivavy rehetra hazoto hianatra mba ho fanoitra fampandrosoana ny firenena ny Minisitry ny mponina Olga Vaomalala nandritra ny lahateniny tao amin’ny kianjaben’Ampasy tany Vangaindrano. Ramatoa solontenan ny UNFPA kosa dia nilaza fa ny firenena manaja ny Miralenta dia firenena manana harinkarena ambony. Fa niarahaba ny vehivavy rehetra manerana ny Nosy Ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina. Nambarany fa ny fiaraha-mientan’ny rehetra tsy misy fanilikilihana no toe-tsaina tokony hananana mba hisian’ny fampandrosoana ny firenena. Nanolotra masomboly, fitafiana, zezika, masinina fanjairana, omby 3, lambahoany sy bodofotsy ho an ireo fikambanam-behivavy tany Vangaindrano ny vadin’ny filoham-pirenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.