Tonga namangy ireo vehivavy voafonja miisa 262 ao Antanimora Rtoa Rajaonarimampianina Voahangy, vadin’ny filoham-pirenena, omaly. Fitsidihana izay mifanandrify indrindra amin’ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy izay hankalazaina anio 8 martsa. Ankoatra ny fihaonana izay tena nanan-danja tamin’ireo voafonja tokoa dia nisy ny fanolorana fanomezana toy ny savony, ny fotsimbary, menaka, tsaramaso ary fitafiana ho azy ireo. Mbola narahiny hafatra toy ny hoe : mifankatiava, mifanampia, miraisa hina izany fanolorana fanomezana izany ho fampaherezana ireto vehivavy voafonja ireto. Fanirian’ny vadin’ny filoha moa, nandritra ny lahateny nataony ny hahatonga ireto vehivavy voafonja ireto ho olom-baovao rehefa tafaverina soa aman-tsara eny anivon’ny fiarahamonina no sady ho vehivavy mendrika. Nisy ihany koa ny fanolorana fanomezana ho an’ireo lehilahy voafonja nandritra izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.