Politique

VMTT Mila vonjy i Madagasikara


  • Talata 06 Novambra 2012

Tany tsy misy fanjakana ny eto Madagasikara, hoy ny Vondron’ny Malagasy Tia Tanindrazana na VMTT.

 Zava-doza, hoy ity fikambanana ity ny fanonganam-panjakana nisy teto amintsika fa namotika tanteraka ny toe-tsain’ny Malagasy ho kamo sy tia kely ary dia tonga hatramin’ny famonoana olona izany. Manjaka, hoy ny VMTT ny kolikoly ary dia samy manao izay tiany ireo milaza azy ho mpitondra, tsy voajery hany ka miha lalina ny fahantrana, tsy misy ny asa, marisarisa ny fandriampahalemana. Santionany amin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy ireo ka noho izany, hoy ny VMTT dia mila vonjy i Madagasikara.

Tsy fanjakana no misy eto fa famoretam-bahoaka sy fampahantrana ny Malagasy. Manoloana izany dia miantso ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka ny VMTT hivondrona sy hifandray fo hanohitra ny rafitra peta-toko, eo koa ny FFKM sy ireo fiangonana zandriny hamonjy ny firenena amin’ny Fahamarinana.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT