Iray volana izay no nametrahanay fitoriana teo anivon’ny Fitsarana avo na HCJ sy ny sampan-draharaha misahana ny kolikoly na PAC mikasika ny raharaha “écran plat” teo anivon’ny CCO, hoy ry zareo avy eo anivon’ny Vovonana Malagasy manarina firenena na VMMF, tetsy Mahamasina omaly.
Niteraka resabe teto amin’ny firenena io ary naha voasaringotra ny orinasa TED izay iaraha-mahalala fa ny tale ara-barony no nampisy vesatra mikasika ny fanararaotana na “profit d’intérêt” sy “favoritisme”. Iray volana latsaka isika izao dia mbola miandry sy mametraka fanahiana. Ny fanontanian’ny fiarahamonina sy vondron-kery samihafa dia hoe nankaiza iny raharaha CCO iny? Manaitra izahay, hoy hatrany izy ireo, hoe sao sanatria ho lasa dosie mipirina io raharaha io rehefa ny olona anaty fitondrana no voakasiny? Ny dosie hafa nihazakazahana sy nety nisy didy amin’ny alina mihitsy rehefa mahakasika tomponandraikitra teo aloha tahaka ny raharaha Claudine Razaimamonjy, Mbola Rajaonah, Rolly Mercia, Berija, ny raharahana mpanao gazety izay iray andro ihany dia vita ny fanadihadiana na teo anivon’ny Bianco na rafi-pitsarana tsotra. Misazy any am-ponja ireo amin’izao fotoana. Vao haingana ny raharaha “Bonbon sucette” izay 40 miliara FMG na 8 miliara Ariary tamina minisitera iray. Nalana vetivety ny minisitra tamin’izay ary nezahana ny hanagadrana ilay “operateur” na mpamatsy fa tamin’ity indray mitoraka ity dia mametraka fanahiana, hoy izy ireo. Tany tan-dalana tokoa ve isika sa misy mizana tsindrian’ila eo amin’ny fampiharana lalana? Nametraka fitoriana resaka “cybercriminalité” ny RMDM sy antenimieran-doholona fa tsy misy tohiny hatramin’izao. Io anefa izao lasa fampihorohoroana ny hery manakiana ny fitondrana. Aoka tsy ho vary mangatsiaka toy ny an’ny hafa ity dosie napetrakay ity, hoy hatrany ny VMMF.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.