Nivoaka iny ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana. Raha tsiahivina fohy moa dia hoe hanaovana foto-drafitrasa ny 60% amin’izany ary 40% no hamatsiana ireo sampandraharaham-panjakana.
Ataovy amin’izay mahafinaritra anao, hoy ny mpanao politika, Gaby Vakiniadiana, ry Prezida ny fitantanana ny firenena fa ho aiza moa izahay vahoaka. Enjehina ankehitriny ireo depiote miisa 79. Tsy ratsy ny ady amin’ny kolikoly, hoy izy, saingy sao dia tetika noho ny fahatahorana tsy hahazo maro an’isa ao amin’ny antenimieram-pirenena no anton’ireny? Toy izany koa ny fanalana ireo sefo fokontany. Iny izao tokony ho adin’ny 6 taorian’ny nanambaran’ny CENI fa tsy ara-dalàna ireo afisy mipetraka eny amina toeram-panjakana dia efa tokony nanala izany ireo nahatsapa tena fa voakasik’io hafatra io saingy ny kandidan’ny fitondrana hatramin’izao dia mbola misy tsy manala izany ihany, hoy ny tenany. Ho an-drizareo avy eo anivon’ny vovonana politika RMTF dia mbola hit any kolikoly miainga avy any ambony. Nankaiza ny resaka andramena, ny tohin’ny raharaha Pety Rakotoniaina, ny raharaha karatra biometrika. Mbola mampanahy ny vahoaka izany ary ny mpitondra etsy an-kilany toa mampanantena zavatra tsy azo tanterahana, hoy ny mpikambana eo anivon’ity vovonana ity. Tsy ny IEM raha ny fahitanay azy no nahazo vola tamin’ny vondrona iraisampirenena fa ny PGE, hoy ny fanazavana, kanefa dia mbola ny mifanohitra amin’izany hatrany no voizina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.