Politique

Vina IEM Lasa vono HVM


  • Talata 18 Jona 2019

Toy ny manondraka rano an-damosin’ny gana daholo ankehitriny ireo vondrona sy antoko politika ary rafitra hafa miantso fifamelana amin’ny fitondrana ankehitriny ary tsy mahagaga raha miaiky

 

 
ny avy eo anivon’ny komitin’ny fampihavanana Malagasy fa mbola ho lavitra ny lalana hahatongavana amin’ny tena fampihavanana. Mbola toy ny nataon’ny teo alohany hatramin’izay ihany no hita hotontosain’ny fitondrana ankehitriny. Valifaty politika no tena hita ho mibahana ary mamofona ihany koa ny vao mainka fanerena ny demokrasia amin’ny alalan’ny fikasana hanakatona haino aman-jery maro aorian’ny 10 jolay izao. Toa lasa nivadika ho vono HVM sy ny mpiaradia taminy ilay vina IEM nentin’ny filoham-pirenena nikaotiana ny vahoaka tamin’ny propagandy. Nosamborina tsikelikely ireo mpiaradia akaiky ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina toa an-dry Mbola Rajaonah sy Bertin Andriamihaingo ary mbola mitohy ankehitriny mikisaka hatrany Antsirabe ihany satria dia namoahana didy fampisamborana koa moa iny ny depiote lany tamin’ny antoko HVM teo aloha, Nirina Ravelohanitra. Horinganina ao anatin’ny 5 taona ve izany ireo akaiky ny filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina ?
 
J. Mirija
 
 
 
 
 
 
 
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT