Ny 20 oktobra 2020, talata fahatelo amin’ny volana amin’ity volana ity no hiditra amin’ny fivoriana ara-potoana faharoa ny parlemanta, araka ny voafaritry ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-75.
Hiompana betsaka amin’ny fandinihana sy fandaniana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana io. Fandre sy fahita matetika eny Tsimbazaza ny fitakiana tombotsoa, ka isan’ireny ny fiara tsy mataho-dàlana. Ny 03 septambra lasa teo, dia nanamafy ny antsony amin’ny Filoham-pirenena sy ny Praiministra Rtoa Christine Razanamahasoa Filohan’io Andrim-panjakana io, fa mbola nivadi-belirano ny solombavambahoaka maro an’isa tamin’ny asa rehetra nankinin’ny fitondram-panjakana tamin’izy ireo. Efa maro ny dina nifanaovana fa mbola noporofoin’ny solombavambahoaka tamin’ny asany izany, hoy izy. Nambarany fa fitia mivaly fitia, ary ny fitia mifamaly mahatsara fihavanana, ka tsarovy ihany ireny teny sy ny fampanantenana nifanaovana ireny, hoy izy tamin’izany. Maro ny resaka nifanaovana, ka tsarovy ny fitaovana hoentin’ny solombavambahoaka manatanteraka ny asany any amin’ireny distrika nahalany azy ireny, hoy izy. Mazava ho azy, fa tsy maintsy hifoha indray io resaka fitakiana fiara tsy mataho-dàlana io na resaka tombotsoa hafa. Vao tamin’ny fivoriana momba ny fandaniana ilay lalàna 001-2020 nisy ilay lalàna momba ny antenimierandoholona izay niteraka resabe rahateo no nampiasaina nandany ilay lalàna ny depiote mpanohana fitondrana rehefa tsy nahomby ny Komisionina isasahana na ny CMP. Fitia mila mivaly fitia, ka dia mitaky ny valan-kasasarany ho vidin’ny tsangan-tànana izany?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.