Politique

Vidin’ny lavanila Voafitak’i Andry Rajoelina ny vahoaka


  • Alatsinainy 23 Novambra 2020

Ny 05 desambra 2018 no nilaza i Andry Rajoelina fa hampiakatra ny vidin’ny

 

 

 

Lavanila any amin’ny Faritra Sava. “Tsy avelako ho gejain’olom-bitsy intsony ianareo. Ampy izay ny fanararaotam-pahefana eo amin’ny famokarana lavanila. Tsy mendrika ny hiaina anaty fahantrana lava izao ny vahoaka Malagasy fa mendrika ny ho lohany. Andeha hifanome tanana saria hirika farany hanavotana an’I Madagasikara izao. Raha miaraka amiko ianareo, tsy maintsy mandresy”, hoy izy tamin’io fotoana io nandritra ny diany tany Anjahana Maroantsetra. Ny Faritra Sava no nahazon’i Andry Rajoelina vato betsaka indrindra nandritra ny Fifidianana Filoham-pirenena fihodinana faharoa nahatratra 86,83%. Roa taona aty aoriana, dia tsy mbola nitotongana tahaka izao amin’ny Fitondrana Rajoelina izao ny vidin’ny lavanila tao anatin’ny 15 taona. Ny famerana ny vidiny ho 250 dolara no voalaza fa isan’ny mahatonga an’io, hany ka 100 000Ar sisa ny kilaon’ny lavanila amin’izao fotoana izao, raha toa ka nahatratra 3 600 000 tapitrisa ariary na 600 dolara tany ho any ny taona 2018. Hatreto, tsy manana vahaolana ny Fitondrana Rajoelina, ary fanamarihana ny resaka kiantranoantrano satria ny Mpitondra amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny varotra sy ny Fanjifana rahateo no namoaka ny lisitry ny mpandraharaha manana ny fahazoan-dàlana hanondrana lavanila, izay miisa 124 eo. Toa ireo mpandraharaha any ifotony no tratry ny tsindry, lasibatra sy diso fanantenana tanteraka, ary mahatsiaro ho voafitak’i Andry Rajoelina ny amin’ny faritra mpamokatra lavanila. Tsy nahomby ihany koa mazava ho azy ny vahaolana noraisin’ny Fanjakana, izay ny Filoha mihitsy no nidina ifotony ny volana oktobra lasa teo. Ny fampanantenana no lasa aloha, fa ny vokatra nifanohitra tamin’izany !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT